Nandriaka indray ny rà tany amin’ny distrikan’i Sakaraha ny alakamisy teo. Lehilahy iray no nanatsatoka antsy zazavavy vao 12 taona monja, ka naratra tamin’ny lamosiny ity farany, raha nikasa ny handeha hitsoaka, rehefa tsy voaolan’ilay lehilahy. Raha ny loharanom-baovao voaray dia notambatambazin’ity lehilahy ity, izay avy namonjy tsena, io zazavavy kely io, saingy tsy azony. Teo no tonga ny eritreri-dratsiny handeha hanolana, saingy niantso vonjy avy hatrany ilay zazavavy. Tezitra vokatr’io fikasan-dratsy tsy tanteraka io ilay lehilahy ka notsindroniny tamin’ny antsy teny am-balahany avy hatrany ilay voatavo tsy mifandraka. Noho ny ratra nahazo azy dia voatery nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana ity zazavavy.
Eric Mnitrisa