- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversSakarahaAsan-dahalo : Olona sivy maty, dahalo ny efatra

SakarahaAsan-dahalo : Olona sivy maty, dahalo ny efatra

Tsy misy tahotra intsony ireo dahalo mirongo basy mahery vaika mandroba amin’izao any amin’ny distrikan’i Sakaraha, faritra Atsimo Andrefana, fa na amin’ny antoandro be nanahary izao aza dia sahy manafika. Ny marain’ny talata teo manodidina ny tamin’ny 6 ora dia dahalo 35 lahy nirongo basy mahery vaika no indray nitontona nanafika sy nandroba tao Andranotsara any amin’ny kaominina Andranolava. Tokantrano roa tao an-toerana no nidiran’ny malaso an-keriny tamin’io fotoana io. Tsy nisy ny alaharo, fa raha vantany vao tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy dia nanao tifitra variraraka. Samy maty lavon’ny bala avokoa ny raim-pianakaviana tao amin’ireto tokantrano lasibatra. Tsy vitan’izay ,fa nalain’ireo dahalo avokoa ny omby rehetra tao am-bala ary mbola nodoroin’izy ireo ihany koa ny trano mialoha ny nandaozany ny tanàna. Raha ny loharanom-baovao voaray, tao anatin’ny herinandro dia fanafihana in’efatra nifanesy no nitranga tao amin’ny kaominina Andranolava. Sivy ny isan’ireo olona namoy ny ainy tamin’izany, ka dahalo ny efatra tamin’ireo.

 Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser