- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakoamadinika - Betsiboka : Mpanao «  kidnapping » maty voatifitra, azo ny basy kalachnikov

Sakoamadinika – Betsiboka : Mpanao «  kidnapping » maty voatifitra, azo ny basy kalachnikov

Ilay basy tratra.

Efa mila mampiteny ny maona araka ny fiteny mahazatra hatrizay ny zava-misy an-kehitriny makasika fisian’ny basy mahery vaika miparitaka etsy sy roa. Anisan’ny mbola baraingo sy mampametra-panotaniana ny maro hoe : avy aiza ary iza no mpamoaka ny basy sy bala ary fanamina ho an’ireo dahalo? Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny ny zandary ao amin’ny kaompania Andriamena, makasika ny raharaha fakana an-keriny niseho tany amin’ny faritra atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ny faha 04 febroary 2024, tao Ambolosy, ny faha-08 febroary 2024, tao Ambaibokely, ny faha-28 febroary 2024 tao Tombakatsa, dia nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po ny mpitandro ny filaminana fa misy dahalo nandray anjara mivantana tamin’ny tranga kidnapping voalaza tamin’ireo toerana ireo, miafina any amin’ny kaominina ambanivohitra Sakoamadinika. Rehefa nahare sy nahazo fampahafantarana ny zandary, dia niroso nakany amin’ny toerana voatondro, izany hoe  nirohotra nakany Antanambao, fokontany Behoraka, kaominina ambanivohitra Sakoamadinika, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, ny marainan’ny asabotsy faha-15 jona 2024 lasa teo, tokony ho tamin’ny 02 ora 26 minitra tany ho any. Rehefa nigadona tao amin’ilay tanàna voalaza etsy aloha, ny zandary efa-dahy dia nametraka paikady nalaky, ka  nanodidina ny trano fonenan’ilay dahalo mpanao kidnapping malaza, fantatra amin’ny anarana hoe Dolisambomanana dit Beta. Tratra tao an-trano vao maraina mangiran-dratsy ity jiolahy nitondra basy «  Kalachnikov iray ity. Tety ivelan’ny trano no niantso ny mpitandro ny filaminana nanao hoe : apetrao ny fitaovam-piadiana any aminao Beta, ary mitolo-batana mora ianao. Taitra tampoko izy raha naheno ny feo sy fanononana ny anarany, ka nitififa tsy nahita olona, sady nisaoty varavakely. Tsy niandry ela ihany koa ny zandary rehefa naheno tifitra sy nahita azy nitsoaka, fa voatery nampiasa ny basy teny an-tanany. Nogorobahan’ny bala ny tratran’ilay jiolahy ka maty tsy tra-drano izy. Hita sy voamarina rahateo ny basy kalachnikov iray fampiasan’ity malaso ity, niaraka amin’ny bala roa nandritra ny fisavana ny razana nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraiki-panjakana ary ny fokonolona. Naneho ny fisaorana mendri-piderana ny nataon’ny zandary ny mponina ao amin’ny tanànan’Antanambao amin’izao fahalavon’i Beta izao. Nogiazina any amin’ny magazain’ny borigadin’ny Zandary ao Sakoamadinika ireo fitaovam-piadiana azo tamin’ilay malaso maty voatifitra, toy ny AKM numéro 1975-535829 tapaka vodiny, somary manjavozavo  amin’ny 02 « carte de calibre 7.62mm » , « Subdivision » tsy azo vakiana. Ny zandary ao Sakoamadinika moa no mandray an-tanana ny raharaha sy ny famotorana. Mialoha ny hamaranana ny lahatsoratra, dia nanamafy hatrany ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena eto Betsiboka, ny lietinà-kolonely Dinah, dit Triplette, fa mitohy tsy misy hataka andro ny fanohizana ny fikarohana ireo olon-dratsy rehetra na dia efa votsotra aza ireo olona nalain’ny jiolahy an-keriny tany amin’ny tapany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna iny.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici