Efa nitangorona be ihany ny olona. Velona ny kapokapoka fiara sy fisakanana ilay fiara tsy hiala teny an-toerana, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva tany ho any, teny amin’ny tobim-piantsonan’ny fiarakodia teny amin’ny Fasan’ny Karàna, omaly. Raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana dia nisy ramatoa fotsy be, miendrika teratany vahiny, nitaritarika zaza, izay raha ny nambaran’ireo nahita dia tsy ho zanany mihitsy. Araka ny voalazan’izy ireo hatrany dia nentina fiara avy any Atsimo io zaza io ary nomenan’ilay mpamily an’ilay ramatoa. Ny fomba fihetsik’ireto olona ireto, indrindra fa ny fihetsik’ilay ramatoa tamin’ilay zazakely, no nampiahiahy avy hatrany ireo olona teny an-toerana. Velona ny fanadihadiana nataon’ireo olona nahita. Vetivety ihany koa dia nandeha ny feo ary nitangoronana ilay fiara nisy an’ilay ramatoa ka tonga hatramin’ny tsy famelàna an’ity fiara ity nivoaka ny tobim-piantsonana. Efa saika raikitra ny rombo raha tsy tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, nitondra an’ilay ramatoa sy ilay mpamily nitondra an’ilay zaza. Hatreto dia tsy fantatra marina izay tena marina amin’ity raharaha ity, raha tsy avy amin’ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana ihany.
m.L