- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka-Kaominina : Mpiasan’ny kaominina telo natao sarika am-pandriana

Sakoroka-Kaominina : Mpiasan’ny kaominina telo natao sarika am-pandriana

Taorian’ilay sakoroka teo amin’ireo “gros bras” nentin’ny ekipan’ny ben’ny tanàna sy ireo mpiasan’ny kaominina mitokona ka manidy ny lapan’ny tanàna, dia nametraka fitoriana teo anivon’ny lehiben’ny fampanoavana ny ekipan’ny ben’ny tanàna, izay namoahan’ity farany “mandat” hisamborana sy hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny zandary ireo mpiasa telo mirahalahy mpitari-tolona.

Sarika am-pandriana. Vao mangiran-dratsy, ny sabotsy maraina dia fiaran’ny mpitandro ny filaminana 3 nahitana polisy ny FIP sy kaomisarian’i Toamasina I ary zandary, niisa 30 lahy teo no voahiraky ny lehiben’ny fampanoavan’ny fitsarana Toamasina hisambotra sy hanao fanadihadiana ireo mpiasa telo mirahalahy. Atoa Ginah Solofo no voasambotra voalohany tao an-tranony Salazamay, ireo roa lahy kosa tsy hita tao an-tranony, ny voalohany nivavaka vao maraina, ny faharoa kosa lasa eto Antananarivo. Naharitra ora 12 ny fihazonana sy ny fanadihadiana natao tamin’i Solofo Ginah, izay sady mpiasan’ny kaominina no mpanolo-tsaina, talohan’ny namotsorana azy tamin’ny 6 ora hariva. Nefa efa nomanina hampakarina fampanovana ny raharaha, araka ny baikon’ny lehiben’ny fampanoavana.

Mitohy ny tolona. “Mba hampanginana anay amin’ny tolona ara-tsosialy mitaky ny tambin’ny asanay izao didy jadona sy antsojay atao aminay izao”, hoy Atoa Ginah Solofo. “Mitohy ny tolona ary hohamafisinay, ary raha tian’ny ben’ny tanana dia ny fampiatoana azy amin’ny asany mihitsy no takianay manomboka izao…” hoy kosa ireo mpiasan’ny kaominina tonga maro nanohana ny namany. Ny eo anivon’ny ekipan’ny ben’ny tanàna ihany koa anefa tsy mitazam-potsiny ao anatin’izao raharaha izao, ka mba hahafahan’izy ireo mpiasa miasa dia nosoloina nanomboka ny sabotsy teo ihany koa ny fanalahidy rehetra eo anivon’ny kaominina. Nohamafisin’izy ireo amin’ny fanaramana “tovolahy” ivelan’ny polisy monisipaly ihany koa ny fiambenana ny lapan’ny tanana. Raha izao teo-javatra nitranga ny faran’ny herinandro, dia hatahorana ho sakoroka indray ny fanombohan’ny herinandro eo anivon’ny kaominina anio.

Anio ihany koa no manao ny pitsopitson’ny taratasy mikasika ny “mandat” hanenjehan’ny lehiben’ny fampanovana eo anivon’ny kaompanian’ny zandary, azy roa lahy tsy tratra tao an-tranony ny sabotsy marainam-be teo. Ankoatra izay dia milaza ny hametraka fitoriana tamin’ny fandratrana azy nataon’olona tsy mpiasan’ny kaominina nitranga ny zoma teo koa ireto mpiasa ny alatsinainy izao. Atahorana hafana izany ny fiatombohan’ny herinandro eo anivon’ny kaominin’i Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici