Mbola nitohy ny fandrobana nataon’ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin’ny orinasa “Sucrerie de Complant de Madagascar” na SUCOMA nandritra ny alin’ny alarobia teo, ka hatramin’ny omaly antoandro, Betsipotika Analalava. Nodoran’izy ireo ny ampahany tamin’ity orinasa fanamboarana siramamy izay sinoa no tompony. Potika tanteraka ilay orinasa. Ankoatr’izany dia samy nitondra gony ny olona ary nandroba ireo siramamy tao anatiny. Loharanom-baovao tany an-toerana no nampita, fa hatrany amin’ny dimy arivo taonina no lasan’ny olona. Tsy nionona tamin’izay ireo olona marobe, fa mbola nanafika ny trano fonenan’ireo teratany sinoa roapolo any ho any; izay manana andraikitra ambony eo anivon’ny Sucoma ihany koa. Ireto farany izay nalefan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fiaramanidina hihazo an’Antananarivo faran’izay haingana, ny alarobia teo ihany tokony ho tany amin’ny misasakalina. Voaroba tanteraka ireo trano, raha araka ny vaovao ôfisialy avy any an-toerana hatrany. Manoloana izany fihetsiketsehana rehetra izany, dia nisy ny fitifirana nataon’ireo mpitandro ny filaminana. Hatramin’ny omaly dia nahatratra sivy ny olona naratra mafy ka nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Fantatra izao fa ny fanjakana no hiantoka ny fitsaboana ireo marary ireo. Afak’omaly ihany koa navotsotra ireo mpiasa efatra notazonina teny anivon’ny zandarimariam-pirenena, ary omaly ny roa no nalefan’ny mpitandro ny filaminana. Ny fisamborana azy ireo,raha hiverenana kely, no nampirehitra ny afo ka nahatonga ity fikomiana ity. Omaly folakandro dia voalaza fa nilamindamina ny toe-draharaha ary nanomboka nisokatra tsikelikely ny fivarotana. Na izany aza anefa, tsy mbola niverina an-tsekoly ny mpianatra ary hitohy anio izany. Tamin’ny fanambarana nataony, hidina any an-toerana ny praiminisitra Kolo Roger hijery ifotony ny fandehan-javatra. Handrasana indray ny mety ho vokatr’izany…
Ornella A. (Stagiaire)