- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka Morondava : Zandary roalahy maty nohosen’ny kamiô, miaramila iray maty notetehina...

Sakoroka Morondava : Zandary roalahy maty nohosen’ny kamiô, miaramila iray maty notetehina tamin’ny famaky

Hatreto, raha ny fantatra, dia tafakatra enina ireo olona namoy ny ainy vokatry ny sakoroka niseho tao an-tampon-tanànan’i Morondava. Telo andro nisesisesy izay.

Ankoatra ireo olona roa voalaza fa namoy ny ainy ny andro voalohany nisehoan’ny korontana teo amin’ireo mpiasan’ny orinasa Sucoma dia fantatra izao fa nitombo efatra izany taty aoriana. Ny roa voalohany dia ireo mpiambina ity orinasa ity, izay niezaka niaro ireo entana tao anatin’ilay ozinina mpanodina siramamy tsy ho lasan’ireo mpandromba. Niafara tamin’ny famoizana ny ain’izy ireo mihitsy anefa izany fiarovan izany, satria dia izy ireo indray no niantefan’ny hatezeran’ny vahoaka. Lehilahy mpiambina iray no matin’ny olona. Nokapain’izy ireo tamin’ny famaky ny lohany ka tapaka tarangana, raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

Miaramila sy zandary. Ankoatra izay dia miaramila iray ihany koa no fantatra fa namoy ny ainy, omaly maraina, isan’ireo niambina ity orinasa ity ihany, raha ny voalaza hatrany. Notetitetehin’ireo fokonolona tamin’ny famaky ity miaramila ity raha ny tatitra voaray hatrany. Zandary roa ihany koa mbola namoy ny ainy ny alakamisy alina teo raha ny voalaza hatrany. Toa miendrika lozam-pifamoivoizana tsotra izy ity ho an’ny daholobe, kanefa rehefa natao ny fanadihadiana rehetra dia ankevitry ny famonoana mivantana mihitsy. Araka ny fanazavana azo avy any an-toerana hatrany dia saika handeha hanamafy ny barazy eny amin’ny faritra iadidiana ireto zandary ireto, izay komandin’ny borigadin’i Mahabo ny iray, niaraka tamina zandary iray hafa. Tsy lavitra an’Analaiva, izay toerana nisian’ny fandrombana ilay toerana. Nandeha môtô izy ireo tamin’izany ka teny an-dalana no nifanehatra tamina kamiôbe iray. Maty voahosy tao amban’ny kodiaran’ity fiarabe ity izy ireo. Tsy fantatra mazava hatreto na natao fanahy iniana ny fanosena ireto zandary roalahy ireto. Raha ny fantatra aloha hatreto, raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia fiarabe nitondra siramamy, norobaina avy amin’ilay orinasa Sucoma izy ity, ary toa hoe olom-boafidy no tompony. Voalaza ihany koa fa efa hitan’ilay mpamily tsara ireto zandary ireto kanefa dia mbola navantany tany amin’izy ireo ihany ity fiarabe ity. Tafotsofoka tany ambany mihitsy araka izany ary maty tsy tra-drano teo izy roalahy. Efa nosamborina ilay mpamily ary efa mandeha ny fanadihadiana. Ankoatra ireo dia olona sivy no fantatra fa naratra mafy.

80 tapitrisa dolara. Raha ny filazan’ireo any an-toerana dia potika tanteraka ity orinasa ity. Ankevitry ny tafakatra any amin’ny 80 tapitrisa dolara any ho any ny teti-bidin’ny fahavoazana, raha ny fantatra hatrany. Manodidina ny eo amin’ny olona 2000 eo ho eo no very asa, vokatr’ity fitakiana nivadika ho fandrombana sy famonoana olona ity. Mbola midonan-tsetroka hatramin’ny omaly ny afo avy amin’ity orinasa fototry ny korontana ity, araka ny filazan’ireo loharanom-baovao hatrany. Saika norobain’ireo olona avokoa ireo entana rehetra tao amin’io toerana io, ny siramamy miampy ireo fitaovana tany anaty birao isan-karazany tany. Na izany aza anefa, raha ny tatitra omaly dia efa milamindamin-dratsy ny ao an-tanàna. Fantatra fa tonga tany an-toerana ireo mpikambana sasantsany avy amin’ny governemanta sy tompon’andraiki-panjakana, nijery ifotony sy nitsidika ary namangy ireo niharam-boina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser