vendredi, avril 25, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : Sakoroka tanaty “bar”, olona iray maty

Ambohibao : Sakoroka tanaty “bar”, olona iray maty

ireo roa lahy namono

Mazàna tokoa rehefa miakatrakatra izay ny daozin’ny alikaola dia na zavatra kely, teny kely tsy misy dikany aza dia mety efa mampivokona totohondry, araka ny filazan-dry zalahy izay. Toe-javatra tahak’izay no nitranga tao amin’ny fokontany iray tao Antsakambahiny, teny Ambohibao teny, ny alahady lasa tao amin’ny trano fisotroana iray teny an-toerana. Niafara tamin’ny famoizana aina mihitsy izany. Voatery niditra an-tsehatra ny zandary, satria nisy vono tao. Nisy ireo voasambotra. Rehefa nandeha ny revy mantsy dia nisy feo niakatra tampoko. Nivadika fifamaliana teo amin’ireto andian-dehilahy nisotrosotro tao. Tsy vitan’ny fifamaliana vava intsony anefa fa niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana mihitsy. Lehilahy iray no voalaza ho lavo ambany ary niharan’ny vono sy daroka. Naratra mafy ity farany ary izay vao navelan’ireo roa lahy namono. Nezahana nentina haingana nihazo toeram-pitsaboana ity ranamana ity saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny ratra sy ny dona mafy nahazo azy. Ireo namono moa tamin’io fotoana dia niala haingana teo amin’ilay toerana. Saingy efa fantatr’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga ary dia noraisim-potsiny. Niroso avy hatrany amin’ny fisamborana ireo zandary ary nanao ny famotorana azy ireo. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto roa lahy nahavanon-doza taorian’izay. Nanapa-kevitra ny hametraka azy ireo eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy moa ny mpitsara mpanao famotorana, mandram-piandry ny fotoam-pitsarana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici