Niakatra fampanaovana omaly ireo voasambotra taorinan’ny fanafihana kaomisaria tany Ambatolampy ny herinandro lasa teo. Vokany, olona dimy tamin’ny ireo voarohirohy no naiditra am-ponja eny Antanimora. Roa kosa no hanefa ny saziny eny tsiafahy raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa. Raha tsiahivina dia andian’olona maherin’ny 400 no saika hanafika ny kaomisaria tany Ambatolampy ny alarobia 8 febroary lasa teo. Izany dia noho ny fitakiana mpangalatr’omby maromaro nosamborin’ny pôlisy, saika hovonoin’ny vahoaka. Nandray ny andraikiny avy hatrany anefa teto ny mpitandron’ny filaminana ka izay no nampiakatra ny hatezeran’ny vahoaka ka niafara tamin’ny Sakoroka.
Kanto R. (Stagiaire)