- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tany Mananjary : Niaiky ny zandary, fa nisy ny fitifirana sy...

Sakoroka tany Mananjary : Niaiky ny zandary, fa nisy ny fitifirana sy ny famonoana ilay kartie môbila

Asa raha fanimpiriny amin’ny setrasetra ataon’ireo mpitandro filaminana mpihoatra vala indray ity niseho tany Mananjary ity. Hatreto tokoa, dia mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao rehetra ny fizotry ny toe-draharaha any an-toerana. Raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny zandary, dia niaiky marina fa nisy ny fikasihan-tànana, izay nitarika ny fahafatesan’ilay kartie môbila tany an-toerana, ka nampitroatra ny vahoaka hanitsaka ny faritra mena. Ary mba ho fiarovan-tena dia tsy maintsy nitifitra ireo zandary, taorian’ny fampitandremana, araka ny fanazavana hatrany. Hatramin’ny omaly tokoa mantsy dia tsy fantatra mazava intsony izay marina na nisy ny famonoana ka nahafaty ilay kartie môbila na tsy nisy. Nampametra-panontaniana ny maro ary niteraka resabe ihany koa ny filazana mifanipaka teo amin’ireo tompon’andraikitra. Nambara ary fa tatitra diso voaray teo anivon’ny Fibaikona no anton’ireny fifanipahan-kevitra ireny. Hisy araka izany ny fepetra raisina ho an’ireo mpanao tatitra diso, fa indrindra ihany koa ho an’ireo na ilay zandary nikasi-tànana, ka nitarika ny fahafatesan’ilay kartie môbila. Efa mandeha ny famotorana sy ny fanadihadiana, raha ny fanazavana hatrany, ary tsy maintsy atolotra ny fitsarana avy eo, izay olona izay. Etsy andanin’izay ihany koa, ny Jly Paza Didier, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, izay mbola any an-toerana hatramin’ny omaly, dia efa nilaza mazava fa tsy handefitra mihitsy ho an’ireo izay zandary mihoa-pefy.

Efa milamina tanteraka ny any an-toerana, raha ny fampitam-baovao azonay. Eny fa na dia mbola mijanona sy miambina ilay toby ihany aza ireo zandary marobe nalefa tany an-toerana. Nisy kosa ny fifampiraharahana nataon’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny tonga tany an-toerana tamin’ireo fokonolona. Fa teo koa ny famitram-pihavanana tamin’ny alàlan’ny famonoana omby. Tapaka fa nentina teny amin’ny araben’ny fahaleovantena ireo olona namoy ny ainy tamin’ity sakoroka nitranga tany Mananjary ity, ary raisina ho mahery fo. Raha ny vaovao azo hatrany dia  efatra ihany izy ireo. Mbola tazonina ao amin’ny toby kosa ireo mpangalatra mangahazo roalahy, izay azo lazaina fa fototr’izao savorovoro tany an-toerana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser