Fivorivoriana tsy nahazoana alalàna ary niteraka fanakorontanana, izay no anenjahana ireo olona 18, mpiangona tao amin’ilay fiangonana zandriny FKM, izay voatery nosamborina noho ny fikomiana nataon’izy ireo tamin’ireo mpitandro filaminana, tonga nandrava ity fiangonana tao Soanierana Ivongo ity ka niteraka sakoroka ny alatsinainy lasa teo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny pôlisy misahana iny faritra iny, dia atolotra ny Fampanoavana anio ireto olona ireto raha tsy misy ny fiovàna. Hatreto kosa dia mbola tsy hita ny misy an’ilay mpitondra fivavahana fantatra amin’ny anarana hoe Marc Tatandraza sy ny olona iray niaraka taminy antsoina hoe Modeste. Efa nisy mihitsy moa ny taratasy fampikarohana azy ireo navoakan’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana saingy hatreto aloha dia toa nanjavona ho azy izy ireo. « Efa nampandrenesina avokoa ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ireo faritra manodidina, eny fa na hatrany Toamasina aza fa hatreto aloha dia mbola tsy hita izy ireo ». Marihana fa volan’ny fiangonana an-tapitrisany maro no lasan’ireto olona ireto any aminy any. Araka izany, fanodinkodinam-bola, fisolokiana, fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ary fanamparana filàna ara-nofo, ireo no fantatra fa anenjahana kosa ireo olona roa izay karohina fatratra ireto.
m.L