- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tany Soavinandriana : Tafakatra telo ireo olona namoy ny ainy

Sakoroka tany Soavinandriana : Tafakatra telo ireo olona namoy ny ainy

Namoy ny ainy omaly alina ny iray tamin’ireo olona naratra mafy, voatifitr’ilay zandary, nandritrana sakoroka niseho tao amin’ny kaominina Dondona, distrika Soavinandriana afak’omaly. Tafakatra telo araka izany ny isan’ireo olona namoy ny ainy, raha ny vaovao mari-pototra azo teo anivon’ny Faritra Itasy. Miisa telo torak’izay ihany koa ireo olona naratra mbola manaraka fitsaboana any an-toerana. Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia niainga tamina fifamaliana teo amina mpivarotra trondro iray sy zandary roalahy ny raharaha ka tonga hatrany amin’izao rà mandriaka izao. Raha ny vaovao voaray hatrany mantsy dia hoe nitaky vola tamin’ity mpivarotra ity ireto mpitandro filaminana ireto. Tsy nanaiky anefa ilay mpivarotra ka raikitra ny fifamaliana ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana mihitsy. Zandary iray kilasy ambony io nikasin-tanana io. Torana noho izany ilay rangahy mpivarotra satria voa teo amin’ny lohany. Nanomboka nitangorona ny olona teo anatrehan’izay, satria moa andro tsena tany an-toerana tamin’io. Nanomboka nimenomenona ireo nahita ary niezaka nitady ilay zandary nahavanon-doza. Ity farany kosa, raha vao nahita fa niakarapoka ilay mpifanandriana azy, izay noheverina fa maty dia lasa nitsoaka haingana namonjy ny tranony. Tsy nanaiky araka izany ireo fokonolona fa nanenjika azy hatrany sy nanao amboletra niditra ny trano. « Ny haka ny basiny avy hatrany no nataon’ireo vahoaka raha vao tafiditra tao an-trano. Kanjo raha iny nifampisintomana iny no nirefotra izany, ary nahavoa olona enina. Ny roa no maty tsy tra-drano fa ny efatra naratra mafy » hoy hatrany ny fampitam-baovao. Rehefa nentina nihazo toeram-pitsaboana moa ireo naratra dia io namoy ny ainy io ny iray tamin’izy ireo. Ilay zandary kosa tsy afa-bela teo amin’ireo fokonolona, raha tsy ny namany no naka azy teo. Niezaka nandamina ireo vahoaka,  ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, avy teo anivon’ny OMC : izay nahitàna ny Lehiben’ny faritra, ny Lehiben’ny distrika ary ny Kaomandin’ny Vondro-tobi-paritry ny zandary any Itasy. « Efa milamina tanteraka ny toe-draharaha any an-toerana » hoy hatrany ny vaovao. Ireo zandary avy eo anivon’ny Vondro-tobi-paritra Itasy moa no nisahana ny fanadihadiana sy ny famotorana io zandary mpihoa-pefy io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici