Voatery niala, nihazo ny tobin’ny zandary mihitsy ny lehiben’ity kaomisaria ity niaraka tamin’ny lefiny. Tsy tana intsony mantsy ny hatezeran’ireo vahoakan’Ambilobe, izay nirohotra nihazo ity biraon’ny polisy ity. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia tora-bato isan-karazany no nihatra tamin’ilay biraom-panjakana. Tao ihany koa ireo namotika sy nandoro ny fiara teo ivelany. Voatery niditra an-tsehatra, niezaka nandamina izany ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsojakiny avy tany an-toerana. Ny anton’ny sakoroka : fitakiana olona iray voasambotry ny mpitandro filaminana voalaza fa namono olona atao fitsaram-bahoaka.
Ny zava-nisy, araka ny tati-baovao azo avy amin’ny zandary, niainga tamin’ny fampitam-baovao niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy, Facebook, ny alahady hariva teo ny rahahara izay milaza fa hoe voasambotra tany amin’ny kaominina Mantaly, ilay olona tompon’antoka tamin’ny famonoana vehivavy. Marihana fa nitondra vohoka ity vehivavy ity ary efa tsy hita nanomboka ny voloandohan’ny volana febroary lasa teo. Andro vitsy lasa anefa izay no hita faty ity ramatoa ity ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka. Tsy niandry ela fa ny harivan’ny alahady teo ihany dia maro ireo vahoaka nirohotra nihazo ny biraon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambilobe. « Resy lahatra izy ireo fa tsy tao ilay olona voarohirohy. Rehefa izany dia namonjy ny biraon’ny Kômisaria polisim-pirenena indray izy ireo ka namotika sy nitorabato ny birao ary nanimba sy nandoro fiara nitoby tao rehefa tsy nahita ilay olona ». Loharanom-baovao tany an-toerana no nilaza fa nitsoaka avokoa ireo mpitandro filaminana rehetra tao anatin’izany birao izany manoloana ireo vahoaka marobe. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia voatery nandray ny andraikiny ny zandary niaro ny mpiasa sy ny tobin’ny polisim-pirenena tany an-toerana nandritra ny alina iray manontolo sy ny tontolo andron’ny omaly. Raha ny vaovao farany azonay dia efa milamina tanteraka tao Ambilobe. Nanaiky ny fifampiresahana sy ny fifandaminana nataon’ireo tompon’andraikitra ny vahoaka. « Ny raharaha dia efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ary tsy maintsy hisy tohiny ka miangavy antsika vahoaka mba ho tony sy hiandry ny valin’ny famotorana. Efa samy mandray andraikitra na ny solontenam-panjakana na ny mpanao famotorana na ny fitsaràna. Tsy anjaran’ny vahoaka no mitsara ny olona ahiahiana nahavita ny heloka fa efa misy andinin-dalàna mikasika ny paikady heloka mandrindra izany. Avela eo ambany fahendren’ny fitsaràna ny raharaha koa aoka isika samy hatoky ny fandraisana andraikitra ataon’ny fitondram-panjakana mahefa misy ankehitriny», hoy ny antso avo ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena mahakasika ity raharaha ity.
m.L