- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tao amin’ny oniversiten’i Toamasina : Mpianatra dimy niakatra “fitsipi-pifehezana”, ny efatra...

Sakoroka tao amin’ny oniversiten’i Toamasina : Mpianatra dimy niakatra “fitsipi-pifehezana”, ny efatra voaroaka avy hatrany

Tsy nivalona tanteraka ireo raharaha niteraka sakoroka teo anivon’ny Oniversiten’i Toamasina. Miisa roa izy ireo dia ny fitakiana vatsiam-pianarana sy ny tranon’ny mpianatra no voalohany, ary noho ilay fahatapahan-jiro nateraky ny rivodoza no faharoa, izay niteraka ny fandoran’ny mpianatra ny fiaran’ny Oniversite sy nakan’izy ireo takalon’aina ny mpiambina, sy ny fivoahan’izy ireo ny fefy ben’ny Oniversite ka nisian’ny fandorona kodiarana, sy nanakana ny lalanam-pirenena faharoa, ary nandroban’izy ireo fananan’olona. Raha noafahan’ny fitsarana tamin’ny alalan’ny tonia mpampanoa lalana ireo mpianatra dimy mirahalahy voarohirohy noho fifanarahana teo anivon’ny OMC, dia omaly no niakatra teo anivon’ny komitin’ny “fitsipi-pifehezana” eo anivon’ny Oniversiten’i Toamasina izy dimy mirahalahy ireto, izay natao tao amin’ny birao fivorian’ny prezidansan’ny Oniversite. Tamin’ny 10 ora no nanomboka ny fihainoan’ny komitin’ny fitsipi-pifehezana ireto mpianatra dimy, nasesy tsirairay, izay notronin’ireo mpisolovava azy ireo miisa telo. Tao anatin’izay dia niandry tety amin’ny arabe manamorona ny Boulevard Augagneur ireo naman’izy ireo, efa nameno manodidina ity birao ity ihany koa tao anatin’izay ireo mpitandro ny filaminana mitambatra nahitana ny polisy sy ny zandary efa vonona amin’ireo fitaovany avy nisorohana ny sakoroka. Tamin’ny 03 ora, naverin’ny komity nantsoina tsirairay izy ireo ka fantatra taorian’ny firesahan’izy ireo amin’ny mpanao gazety fa mpianatra efatra nahitana an’Ingahy isany “Mapar”, Eddy, Julio, Théophile, no voaroaka avy hatrany ary tsy mahazo miditra ny Oniversite intsony, ny iray kosa mbola afaka mianatra saingy tsy mahazo mipetraka eo anivon’ny Oniversite. Mahaleotena amin’ny fanapahan-keviny ireto mpikamban’ny komitin’ny fitsipi-pifehezana ireto, ka ny fanapahana izay horaisiny mikasika ireto mpianatra ireto dia mihatra avy hatrany. Nefa milaza ny tsy afa-po amin’ny fanapahana nivoaka izy dimy lahy ka milaza ny hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana indray manomboka izao. Manao antso avo amin’ny SECES sy ny minisiteran’ny fampianarana ambony ary ny fitondram-panjakana ireto mpianatra voaroaka eto Toamasina ireo, mba handinika ny ho avin’izy ireo satria araka ny fantatra dia mpianatra amin’ny taona faha-04 amin’ny toekarena, ny tantara, ny lalana, ary ny filozofia avokoa izy ireo ankehitriny. Ankilan’izany dia nisy mpianatra iray hafa voarohirohy ho nangalatra solosaina iray hafa ihany koa niatrika ireo komity omaly, ka voaroaka eo anivon’ny Oniversite koa.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici