Maro ny fanehoan-kevitra ny amin’ny tsy fankasitrahana ireny fanapotehana fananam-bahoaka ireny. Fantatra fa am-polony no vosambotra tamin’iny sakoroka iny. Fanakorontanana filaminam-bahoaka sy fanapotehana fananam-bahoaka no isan’ny vesatra iampangana azy ireny. Tsy nanome isa marina kosa ny tompon’andraikitra na dia nanontany aza ny mpanao gazety. Ny antony, hoy ireo mpitandro filamininana, dia mba hisian’ny fitoniana, ary mbola anatin’ny fanadihadiana izy ireo. Zon’ny vahoka anefa ny hahazo vavao marina sy ara-potoana ary antenaina ny hivoahan’izany, fa sanatria ny tsy fahafantaran’ny vahoaka izany no tsy hisian’ny fitoniana eto Antsirabe sy ny manodidina.
Azo ambara anefa fa efa niverina amin’ny laoniny ny andavanandron’ny mponina eto Antsirabe sy ny manodidina taorian’ireny sakoroka niseho ireny. Mbola hita mivezivezy etsy sy eroa kosa ny mpitandro filaminana maro manao fisafoana sy manara-maso ireo tsy manaja ny fepetra ara-pahasahalama napetraky ny mpitondra fanjakana. Nisy rahateo ny fanambarana nataon’ny governoran’ny faritra, ny zoma lasa teo, nanamafy ny fihemorany tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fihibohana nanomboka amin’ny roa ora tolakandro, izay nampitraotra ny vahoaka ka nahatonga ireny sakoroka ireny.
Raha tsiaivina fohy ny zava nitranga, taorian’ny fanambarana nataon’ny governora ny alakamisy 6 may lasa teo fa mihiboka ny faritra Vakinankaratra ary mikatona avokoa fivarotana rehetra, voafetra ny fivezivezana toy ireny fampiharana sazy mihatra avy hatrany ireny, dia maro tsy nankasitraka loatra. Nisy ihany anefa ny fanambarana ora vitsy taorian’io fa afaka mivarotra ihany ny mpivarotra saingy ireo mpitandro filaminana kosa tsy niraharaha izany fa nanidy ireo mpivarotra sendra azy, eny fa hatramin’ny mpivarotra anana eny amoron-dalana aza dia noraran’izy ireo. Raha nilamina ny fokontany sasany na nahitana andian’olona tsy nankasitraka loatra ity fanapahan-kevitra tampoka ity aza, dia tsy toy izany kosa ny teny amin’ny faritra Vatofotsy, toerana be olona sy mipivezivezy. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva no nanomboka ny fikomiana ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Maro ny zavatra potika na tsy rava tanteraka aza. Isan’izany ny CTC sy ny Université andalam-panamboarana.
Voizina, araka izany, ankehitriny fa misy ambadika politika ny hetsika ary ny TIM no ao ambadik’ireny hetsiky ny vahoaka ireny. Andrasana ny valin-tenin’ireo antoko TIM eto Antsirabe.
Andry N.