Taorian’ireny sokoroka indroa miantaona niseho tao amin’ny distrikan’i Betafo ka nipaka teto Antsirabe ireny dia miantso ny vahoaka ny OMC “Organisation Mixte de la Conception tarihin-dRtoa Voahangy Andriantomponera, prefet-n’Antsirabe, mba hanana fitoniana. Nampahafantarina izany nandritra ny valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety teto Antsirabe omaly tao amin’ny prefektiora. Ankoatra izay dia nanamarika ny prefet-n’ Antsirabe fa tany tan-dalàna no eto ka tsy tokony hisy ny fioharam-pefy sy fandikan-dalàna. Manoloana ireny trangana sakoroka niseho ireny izay niteraka resa-be hatramin’izao dia nanambara ny prefet fa hohafainganina ny ankety ary hiarahan’ireo mpitandro filaminana manao , izany hoe ankety mixte, ka avelao ny tompon’andraikitra hanao ny asany, hoy izy nanamafy. Ankaotra izay dia hamafisina ny fisafoana hatao na antoandro izany na alina, ka entanina ny tsirairay mba tsy hisaraka amin’ny karapanondrom-pirenena manomboka izao.
Andry N.