Araky ny efa nomarihana teto omaly dia nitohy teto Antsirabe indray ny sakoroka niseho tao Betafo tamin’ny Alatsinainy hariva lasa teo, izay nahafatesana zaza sy nahatrana olona ary nahapotehana fanana maro. Araka ny fantatra mantsy dia manana trano iray lehibe ao Andrefantsena Antsirabe ilay rangahy niharan’ny fandrobana tao Betafo. Ny Talata tolakanndro dia efa nandeha ny feo fa misy andian’olona maro mizotra handroba sy handrava tanteraka ny fananan’io rangahy io ao Andrefatsena Sabotsy ao. Tonga aloha teny an-toeana anefa ny mpitandro filaminana ka nifampihantsy nandritra ny ora maro tamin’ny vahoaka. Nihanitombo hatrany ny vahoaka , ity toerana ity rahateo tsy lavitra ny tsena, sady ambany tanàna rahateo. Tokony ho tamin’ny folo ora alina dia tsy voasakana intsony ny vahoaka na dia nampiasa ny fitaovana rehetra toy ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny tifi-danitra aza ny mpitandro filaminana. Vokany, vaky nandositra ireo mpitandro filaminana teny an-toerana ka niroso tamin’ny fandrobana ny olona.
Fantatra fa tamin’ny Alatsinainy taorian’ny fihetsaham-bahoaka tao Betafo dia efa nangorona etana ny tao ambony rihan’ilay trano, izay mpanofa ihany. Fianakavian-dRa-Josoa kosa no voalaza fa tao ambany rihana mpamongady enta-madinika. Tapitra noraofin’ny olona avokoa rehefa entana tao amin’ity trano ity. Nitohy hatramin’ny omaly moa izany fandrobana izany ka tsy namelan’ny olona raha tsy rava tanteraka ilay trano, nongotana hatram’izay kely indrindra azo avadika ho vola.
Andry N.