- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tao Fianarantsoa : Niharan’ny herisetra ny filoha lefitry ny Oniversite, mpianatra...

Sakoroka tao Fianarantsoa : Niharan’ny herisetra ny filoha lefitry ny Oniversite, mpianatra iray voasambotra

Nafampana indray tao an-drenivohitr’i Betsileo tao ny alarobia lasa teo. Nanatanteraka fitokonana mantsy ny mpianatra avy ao amin’ny Oniversiten’Andrainjato, izay niafara tamina herisetra nihatra tamin’ny filoha lefitr’ity oniversite ity. Omaly dia fantatra fa mpianatra iray no voatery nosamborin’ireo mpitandro filaminana voarohirohy tamin’ity raharaha ity taorian’izay. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, ny alarobia antoandro lasa teo, nidina an-dalambe ireo mpianatra, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo. Toy ireo fitokonana mahazatra ataon’izy ireo, na ny aty an-drenivohitra izany na ny any an-toerana, dia nisy ny fanakanan-dalana tamin’ny alalan’ny fandoroana kodiarana. Nirefodrefotra, toy ny mahazatra ihany koa, araka izany, baomba mandatsa-dranomason’ireo mpitandro filaminana, nandravana izany fitokonana izany. Tsy niato anefa izany, fa nihemotra tao amin’ny faritry ny fianarana fotsiny ireo mpianatra. Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo, niantefa tany amin’ny Filoha lefitr’ity fampianarana ambony ity ny hatezeran’ireo mpianatra, raha iny izy handeha hizotra ho any amin’ny toeram-pampianarana iny, niaraka tamin’ny fiarany, Peugeot 405. Andiana mpianatra maromaro no avy hatrany dia nanakana ny fiarany sy nanimba izany. Vokany, vaky ny fitaratr’ilay fiara, ary navadik’izy ireo izany taorian’izay. Tsy naninona kosa ny olona tao anatiny. Voatery niditra an-tsehatra indray ireo mpitandro filaminana, ary io niafara tamin’ny fisamborana mpianatra iray, tany an-toerana io omaly. Marihina fa efa nanomboka tamin’ny alatsinainy teo no nanao fitokonana ireto mpianatra ireto, noho ny vatsim-pianaran’izy ireo mbola tsy azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici