- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tao Maevatanàna : Nakaton’ny mpampianatra  tamin’ny rojovy ny vavahady CISCO sy DREN 

Sakoroka tao Maevatanàna : Nakaton’ny mpampianatra  tamin’ny rojovy ny vavahady CISCO sy DREN 

« Tsy hisy handray ny fampianarana ny mpampianatra rehetra, raha tsy mazava ny fotoana fampiakaran’ny fanjakana ny tambim-karama ary tsy hilefitra mihitsy izahay. Mety hiafara amin’ny taona fotsy ihany koa ity taom-pianarana ity rehefa tsy hihaino ny mpampianatra ny tompon’andraikitra » hoy hatrany Ramose Rakotondranaivo Fenosoa Gilbert, solontenan’ny sendikàn’ny mpampianatra eto Maevatanàna, raha nitafa taminay omaly. Vita ny alahady teo ny fivoriamben’ny mpampianatra rehetra ao amin’ny sekolim-panjakana ato amin’ny Dren Betsiboka, rehefa nataon’izy ireo ny famakafakana rehetra dia nanapa-kevitra, fa tsy maintsy hakatona amin’ny rojovy ny vavahadin’ny Dren sy ny Cisco ary hosakanana ihany koa ny mpianatra hamonjy adina fanatanjahantena eny amin’ny kianja Mandanikapa, ary nilaza tsy hiverin-dàlana. Ny Alatsinainy 9 Jolay teo izy ireo no nirohatra nanatanteraka ireo zavatra tapaka nandritra ny fivoriana nataony, ka raikitra ny sakoroka sy ny tabataba sy fitsofana kiririoka eran’ny tanàna, ka nakatona rojovy ny biraon’ny Dren sy ny cisco, ary tsy navela nanao « Gymne bacc na adina fanatajahantena ireo mpianatra, ary niditra an-tsehatra hatramin’ny Zandary nanoloana izany, fa tsy nanaiky ny fandaminana natao tamin’ireto mpampianatra. Notsindrian’izy ireo ihany, fa « mitohy hatrany ny fitakiana noho ny tambim-karama ; izay tsy mbola nahitana vahaolana hatramin’izao » hoy hatrany ireo mpampianatra taminay. Ny tena olona hoy izy ireo dia ny karaman’ny mpampianatra « FRAM » izay misy 200 mahery eo amin’ny sekoly, fa tsy manana anton’asa fa miandry «  recrutement. » Ny tsy fampiakarana ny karama dia miteraka tsy fahalavorarian’ny mpampianatra fa mandringa, nefa etsy an-kilany ny fandraisana mpampianatra rehetra vitsy dia vitsy, hoy ihany Ramose Fenosoa taminay. Fantatra, fa tsy manaiky izao zava-misy izao ny mpampianatra rehetra ary manamafy ny fitakiany sy manainga ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fanjakana mba hijery akaiky izao olana misy amin’izy ireo izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici