- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tao Mananjary : Trano roa nodoran’ny olona, zandary iray naratra voatoraka

Sakoroka tao Mananjary : Trano roa nodoran’ny olona, zandary iray naratra voatoraka

MananjaryEfa tena maimbo rà tokoa ve ireo vahoaka ? Roa andro nilaminana fotsiny dia niverina niha nahery vaika indray ny korontana tanteraka tao an-drenivohitry ny faritra Vatovavy Fitovinany tao. Tsy nanaiky lembenana amin’ny fanjakan’ny tsifandriampahalemana ireo mponina, hany ka mpangalatra mangahazo avy no nahatonga tranon’olona ho may, ary olona maro naratra, anisan’izany ny zandary iray lehiben’ny Kaompania any an-toerana. Niredareda ny afo, nirefodrefotra ny basy, nitefotefoka ny tora-bato, tsy hay iainana intsony ny setroky ny baomba mandatsa-dranomaso … izay raha fintinina ny zava-niseho tao Mananjary ny alin’ny alatsainy  teo. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana, dia nisy olona roa voasambotry ny fokonolona, avy nangalatra mangahazo. Efa niharan’ny daroka sy vono tany ireto mpangalatra ireto. Efa saika maty mihitsy raha tsy nisy olona nisakana ny amin’ny tokony hanaterana azy ireo any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana. Efa lian-drà ireo fokonolona, ka ny sasany tsy nanaiky io fanaterana azy tany amin’ny zandary io. Olona  300 teo ho eo araka izany no tonga nirohotra tany amin’io biraon’ny zandary io. Nanomboka teo ny korontana. Nandrivorivo ny tora-bato nihatra tamin’ireo biraon’ny mpitandro filaminana. Efa nanaka-danitra ihany tetsy andanin’izany ny afo, tamina trano vitsivitsy teo an-toerana. Niditra an-tsehata ny zandary, mba handamina ny zavanisy. Tamin’izay indrindra anefa no voan’ny vato ka naratra ny lehiben’ireto mpitandro filaminana ireto. Napetraka ny lamina hiarovana ny « caserne », tsy maintsy naparitaka ireo vahoaka marobe. Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso. Voatery nanao tifi-danitra mihitsy aza hanaparitahana ireo vahoaka marobe, iny alina iny. Niverina teo indray anefa ireo olona vonton-katezerana ireo, ora vitsy taorin’izay. Ary dia niverina nirefotra indray ny baomba sy ny tifi-danitra. Araka ny fantatra dia mbola nitohy mandra-marain’ny andro ny poa-basy tao an-tanàna, nanaparitahana ireo fokonolona. Tetsy an-danin’izay ihany koa, nisy ny fandefasana zandary fanampiny, hanampiana ireo tany an-toerana. Nidina tany an-toerana nijery ny zavanisy ihany koa ireo tompon’andraikim-panjakana isanisany. Hatramin’ny ora nanoratanay dia efa milamina tanteraka ny tanàna, raha ny fampitam-baovao azo hatrany, na dia teo aza ny feo niely fa mbola hisy ny tohin’ny hetsika …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser