Taorian’ny fahavitan’ny tondrozotra nifanaovana sonia teo amin’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, sy ny lehiben’ny distrikan’i Maroantsetra, ary ireo tangalamena Antemaroa farany teo, amin’ny fanelanelanana ny raharaha “Besoa – Mahavita”, dia efa mandray ny andraikiny izy ireo ankehitriny. Ho an’ireto tangalamena Antemaroa ireto, dia nisy ny fifanatonana teo amin’izy ireo sy ny lehiben’ny distrika ary ny lehibe samy hafa teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany tany Maroantsetra, nijeren’izy ireo ny antontan-taratasy nahatonga ny sakoroka, sy nanome fanazavana ny tena zava-misy marina mikasika ny olana eo amin’ireto mpandraharaha samy zanaky Maroantsetra ireto. Tsy mbola mbola nahazoam-baovao kosa anefa na nanaisotra ny fitoriana ny mpitory tamin’ity raharaha ity na tsia, ny fampihaonana azy roa lahy koa mbola tsy vitan’ireto tangalamena Antemaroa ireto.
Ao anatin’izay anefa, dia tsy mandroso tsy mihemotra ihany koa ny mikasika ireo olona dimy nosamborina nanofana fiaramanidina manokana tao Maroantsetra farany teo. Efa ho 10 andro izao dia mbola tazonina eo anivon’ny zandary misahana ny fikarohana ny heloka be vava eto Toamasina izy ireo; tsy mbola niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ihany koa ny antontan-taratasy mikasika azy 5 lahy. Fantatra izao fa, ho tonga eto Toamasina ireto tangalamena Antemaroa ireto hitondra ny fanazavana eo anivon’ny fitsarana, mikasika ny “marina” amin’ny raharaha.
Malala Didier