- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakoroka tao Tanambao V : Olona valo nosamborina, fito nahazo “MD” ka...

Sakoroka tao Tanambao V : Olona valo nosamborina, fito nahazo “MD” ka vehivavy ny roa

Nihitatra ilay raharaha fandroahana olona tao Tanambao V ny sabotsy nataon’ny kaominin’i Toamasina. Taorian’ny sakoroka izay nisiana ady totohondro mihintsy noho ny tsy faneken’ireo fianakaviana noesorina, izay ambaran’izy ireo ho tsy rariny noho ireo antontan-taratasy ara-dàlana teo ampalen-tanany, dia nitohy ny alahady ny raharaha tamin’ny fisamborana ireo olona notondroin’ny lefitra voalohany sy ny mpanolotsain’ny ben’ny tanana, fa nahatonga ny sakana ka naharatrana polisy niaro ireto ekipan’ny kaominina. Olona valo no nanaovana sarika am-pandriana ny alahady io noho ny fitorian’ny kaominina sy ny baiko midin’ny ben’ny tanana tamin’ny fisamborana azy ireo. Haingam-pandeha noho izany ny fakana am-bavany ireto olona valo ireto noho ny baiko nidin’ny tonia mpampanoa lalàna tamin’ny polisy, ny alatsinainy tolakandro dia nakarina teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha, koa araka ny didy noraisin’ny tonia mpampanoa lalàna nisahana ny raharaha dia nampiditra am-ponja ny olona fito izay vehivavy ny roa, iray hafa kosa nahazo fahafahana vonjimaika. Tamin’ireo olona fito nohazonina am-ponja vonjimaika ireo anefa dia ny efatra fianakavian’ny filohan’ny mpanolontsain’ny tanàna noho ilay olona nesorina tao amin’ny tranony mbola fianakaviany ihany koa. Noho izao raharaha izao izany dia mitohy ny “ady” eo amin’ity filohan’ny mpanolontsain’ny tanàna sy ny ekipan’ny ben’ny tanàna ity. Ny dingana manaraka izany izao dia ny fitsarana ny raharaha nitorian’ity filohan’ny mpanolotsaina ity ny teti-bolan’ny kaominin’i Toamasina teny amin’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana, izay mbola miantona ny fampiasana azy raha araky ny lalàna noho io fitoriana io, noho izy ity natao amboletra ny fandaniana azy, sy natao kitoatoa ny fomba niantsoana ny mpivory nanapaka azy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici