- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tao Vavatenina: Tsy handefitra amin’ny fanimbana fananam-bahoaka ny Jirama

Sakoroka tao Vavatenina: Tsy handefitra amin’ny fanimbana fananam-bahoaka ny Jirama

Sakoroka tao Vavatenina
Sakoroka tao Vavatenina

“Tsy misy mihitsy antony hanimbana ny fananam-bahoaka tahaka ny nataon’ireo mpitia baolina kitra tao Vavatenina, na teo aza ny fahatapahan’ny herinaratra, satria na teo aza ny fahasimban’ny fitaovana mpamokatra herinaratra tany an-toerana, dia nanao ny ezaka rehetra ny teknisianin’ny jirama, matoa nisy ampahan’ny Tanàna tsy naharitra ela dia niverina ny jiron’izy ireo”, izay no nambaran’ny tale provensialin’ny Jirama eto Toamasina mikasika ilay sakoroka tao Vavatenina, noho ny fahatezeran’ireo mpitia “Mondial” tsy nahita izany noho ny fahatapahan’ny herinaratra  5min nanombohan’ny famaranana ny alahady teo. “Tsy maintsy hitory ireo olona na andian’olona nitarika vahoaka nanimba ny jirama tao Vavatenina izahay, satria zary lasa fomba amam-panaon’ny olona sasany ny manao herisetra amin’ny fananam-bahoaka tsy misy mitory sy tsy mizaka ny sazy mifandraika amin’izany, ka manao lalan-dririnina sy manao ho manana ny marina”, hoy hatrany Atoa Toto Jean de Dieu nihenjana amin’ny zava-misy tao Vavatenina ity. Ankoatra izay, dia efa manana fitaovana hanatsarana ny herinaratra ao Vavatenina ny Jirama, saingy ny olana dia tsy noho ny Jirama tsy nametraka izany, fa noho ny làlana amin’ny fahasimban’ny tetezana ao Antaratasy làlam-pirenena faha-5, satria milaja am-polony taonina maro ity fitaovana ho an’i Vavatenina ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici