- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka teny Ankatso : Nalefa eny Antanimora ny iray tamin’ireo voasambotra

Sakoroka teny Ankatso : Nalefa eny Antanimora ny iray tamin’ireo voasambotra

Natolotra ny Fampanoavana omaly, rehefa avy natao famotorana tao amin’ny borigadin’ny zandary tao Betongolo, ireo roa lahy voasambotra, ny talata lasa teo, nandritra ny fifanandrinanan’ny mpianatra sy Emmo, teny Ankatso. Fantatra tamin’izany fa nahazo fahafahana vonjimaika ny iray, raha nadoboka eny Antanimora kosa ilay tovolahy iray namany, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Fanakorontana, miampy fanimbana fitaovana mpitandro filaminana am-perinasa, hatreto, raha ny fanazavana hatrany, no vesatra nanenjahana azy ireto. Nambaran’ireo mpanao fanadihadiana mantsy fa tsy mpianatra akory izy roa lahy ireto fa nokaramaina manokana hanakorontana, nandritra iny hetsiky ny mpianatra teny Ankatso iny. Raha tsiahivina dia efatra izy ireo no voasambotra tamin’iny fotoana iny, raha ny fanazavana azo teo anivon’ny mpitarika ireo Emmo, saingy ny roa ihany no notanana sy natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny zandary. Somary henjakenjana ihany ny fifanandrinana nandritra ny tontolo andron’ny talata teo, raha ny zava-niseho teny Ambohitsaina teny. Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomason’ireo mpitandro filaminana, raha nanamatroka ny lanitra kosa ny tora-baton’ireo mpianatra. Nisy tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana no nitoraka ny fitaratry ny iray tamin’ireo fiaran’ny Emmoreg teny an-toerana, ka nahavaky izany. Olona efatra no nosamborina vokatr’izany, ka tao anatin’izany io voalaza fa mpikarama an’ady io. Marihina fa hetsika am-pilaminana no nokasain’ireto mpianatra ireto hotanterahina nanomboka ny alatsinainy lasa, teo kanefa dia io nivadika ho sakoroka io. Hetsika izay manohitra ny fitokonanan’ireo mpampianatra mpikaroka ary fitakiana ny hizoran’ny fampianarana indray eny amin’ny Anjerimanontolo. Raha ny omaly manokana dia nilamina tanteraka ny teny amin’ny Anjerimanontolo. Etsy andanin’izay kosa, mbola mandeha hatrany ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana, ahafantarana izay tena ambadik’ity korontana sy ny fisian’ny mpikarama an’ady anatin’ny hetsiky ny mpianatra ity, raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici