Omaly tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any no tafavoaka soa aman-tsara teny amin’ny tobin’ny zandary nitazomana azy ireo, ireo mpianatra fito, voatazona noho ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra Gen Z omaly tetsy Tsiadana. Araka ny fanazavana nentin’ireo mpisolo vava azy ireo teo amin’ny pejiny dia mbola misy iray kosa voatazona any.
Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso tetsy Tsiadana, ny andron’ny sabotsy lasa teo, raha nandrava ny hetsika am-pilaminana nataon’ireo mpianatra Gen-Z, mitaky ny zo fototra ho an’ny rano sy jiro, ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Emmo. Efa mazava ny toromarika nomen’ny mpitarika tam-boalohany nomena an’ireto mpianatra ireto fa hetsika am-pilaminana no natao, tsy misy fanimban-javatra fa fihoaram-pefy. Niala avy eny Ankatso izy ireo, nandeha nitanjozotra hihazo an’Ambohijatovo. Teo Ampasanimalo no voasakan’ireo mpitandro filaminana. Nisy ny fifampiresahana : ho an’ireto farany dia tsy fanarahan-dalàna satria mibahana lalam-bahoaka, ho an’iretsy mpianatra kosa, fahafahana maneho hevitra no tinakiny. Raikitra ny korontana taorian’izay satria tsy dia nisalasala nandefa baomba mandatsa-dranomaso mahery vaika ireo mpitandro filaminana, nanaparitahana ireo mpianatra. Nitohy mandrapahariva ny fanapoahana baomba « lacrymogène » sy ny fitifirana tamin’ny bala fingotra teny an-toerana. Namaly tamin’ny tora-bato kosa ireo mpanao fihetsiketsehana.
1Raha ny fantatra dia nisy valo ireo voasambotra. Tsy misy mpianatra izy ireo na iray aza, hoy teo anivon’ireo mpitandro filaminana ary namafisin’ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny ministeran’ny fampianarana ambony. Nampafantatra anefa ireo mpisolo vava izay nandray an-tanana ireto voasambotra ireto fa tena mpianatra ara-dalàna izy ireo : misy ireo manovo fianarana eny Ankatso, misy ireo amin’ny oniversité tsy miankina, misy ireo vao afaka baka ary misy ireo eny amin’ny lycée.
m.L