- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakoroka teny Vontovorona : Nirefodrefotra ny lakrimôzena

Sakoroka teny Vontovorona : Nirefodrefotra ny lakrimôzena

VONTOVORONA-(10)Velona ny fifanenjehana teo amin’ny mpianatra sy ny Emmoreg omaly teny Vontovorona. Araka ny fanazavana azo avy tamin’ny Emmoreg, dia mitetika hanakorontana ny fanadinam-panjakana, teny an-toerana, ireto mpianatra ireto, ka tsy maintsy nandray andraikitra tamin’izany ny mpitandro filaminana.

Tamin’ny 10 ora teo ho eo no tonga teny an-toerana ny Emmoreg, raha tamin’ny 7 ora sy sasany no nanomboka niangona ny mpianatra. Raikitra ny tora-bato. Tsy nanaja ny « franchise universitaire » ka niditra tao amin’ny « campus », ireo mpitandro filaminana ary nanenjika ireo mpianatra sy nidaroka azy ireo tamin’ny lakrimôzena, araka ny fitantaran’ny filohan’ny fikamban’ny mpianatra polyteknika eto Antananarivo. Voalazan’ny mpitondra tenin’ny mpianatra ihany koa fa nitifitra bala fingotra ireo mpitandro filaminana tafiditra tao an-toerana, ka naharatràna mpianatra efatra. Ankoatr’izay, mpianatra iray kosa no nosamborin’ny Emmoreg ny marainan’ny fifanjevona. Ireto farany izay nandà ny fisian’io tsy fanajàna ny « franchise » io. Tamin’ny ora nahatongavanay teny an-toerana, samy nijanona teny amin’ny faritra nisy azy aloha ny roa tonta. Ny mpitandro filaminana, etsy andaniny, miandry eny am-bavahady, namoaka ny fitaovana vaovao, entina handaminana ny korontana. Iretsy mpianatra, ankilany, mivorivory sy mihantsy ny mpitandro filaminana amin’ny tora-bato madinidinika.

Mitaky omby dimy. Raha ny fanazavana nomen’ny avy ao amin’ny Emmoreg, barazy dimy no natsangan’ireo mpianatra omaly maraina, teny amin’ny lalana mihazo ny oniversite iny. Voalaza tamin’izany ihany koa fa mitetika ny hanakorontana ny mpianatra mpanala ny fanadinana CEPE ireto mpianatry ny Anjerimanontolo ireto. Nisy tamin’ireo mpianatra aza, araka ny filazan’ny mpitandro filaminana hatrany no nigafy sy nila sotasota tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra handeha hanati-barin’ireo zanany, ka nihinana ireo sakafo nentin’izy ireo. Nolavin’ireo mpianatra tanteraka anefa izany, ary namafisin’ny ankabeazan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tafaresaka taminay. Raha tsiahivina ny fototry ny fitakiana : fampiakarana ny vatsim-pianarana, fitazonana ny saran-dalana mankeny an-toerana, izay niakatra, ary ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana eny an-toerana. Nanambara ireto mpianatra fa tsy hijanonana ny hetsika raha tsy voavaly ireo fitakiana ireo. Kanefa vonona ny hifampidinika amin’ny fanjakana. Nanampy ihany koa aza izy ireo fa mila omby dimy, ho takalon’ny fidiran’ny mpitandro filaminana tao amin’ny faritry ny oniversite, satria otafady ny toeram-pianarana. Omaly hariva ihany dia navotsotra ilay mpianatra voasambotra araka ny vaovao azo.farany.

Mike L.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser