- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakoroka teto an-drenivohitra : Nirefodrefotra ny « lacrymogène », niradraraka ny tora-bato

Sakoroka teto an-drenivohitra : Nirefodrefotra ny « lacrymogène », niradraraka ny tora-bato

Sakan-dalana tetsy, sakan-dalana teroa. Nihamafy hatrany ny hetsika nataon’ireo vahoaka teo anivon’ny mpomba ny vondron’ireo kandidà ny sabotsy lasa teo. Nanoloana ireo herisetra maimaim-poana, nataon’ireo mpitandro filaminana azy ireo, nandritra izay iray volana mahery nisian’ity hetsika ity dia nanamafy ny fiarovan-tena ary namaly ireo mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny fitaovana teny am-pelatanany ny sasantsany tamin’izy ireo.

Antaninandro sy Behoririka no toerana nifampitaoman’ireo mpitolona raha tamin’io andron’ny sabotsy io, ary ny tanjona dia ny hoe handeha eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Tanjona izay tsy nety tratra aloha hatreto, noho ny fisian’ireo andiana mpitandro filaminana zavon-tany, manakana avy hatrany ny fidirana teo an-toerana.

Ny maraina dia efa tsy azo nidirana intsony Analakely. Taoriana kelin’io dia efa rakotra mpitandro filaminana ihany koa tetsy Antaninandro. Tokony ho tamin’ny iray ora latsaka tany ho any no nanomboka nitangorona ny olona tetsy Behoririka. Fotoana fohy taorian’izay no nitsangana ny sakan-dalana, tamin’ny alalan’ny vato sy zavatra nirehitra, nataon’ireo andiana tanora maromaro. Tapaka tanteraka ny lalana. Mbola tsy niditra an-tsehatra anefa ireo Emmo. Niha-nandroso nihazo ny ranomaimbo, hiakatra aty Soarano iny ireo vahoaka marobe, nandrafitra sakana indray teo akaiky ny Galerie Mialy. Efa niatrana teo akaiky kosa ireo mpitandro filaminana, niandry sy nandroso tsikelikely. Nanomboka ny tora-bato niaraka tamin’ny tifitra flesy, nisy bala poti-by. Nisy iray tamin’ireo mpitandro filaminana no voan’izany ka naratra. Teo no niainga ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso saingy tsy nahatosika ireo mpanao hetsika. Nisesisesy amin’izay izany fanaparitahana izany ary niafara tamin’ny fisamborana. Vaky ihany ireo barazy nataon’ireo mpanao hetsika.

Nitohy taty Ambatomitsangana, Ankadifotsy ary Antanimena sy Andravoahangy ambany iny ny fifandonanan’ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana. Tamin’ireo toerana ireo dia nahitàna sakan-dalana sy vahoaka marobe hatrany. Tao anatin’izany fifandonana izany  no nisiana naratra na ny avy any amin’ny andaniny na ny avy ety amin’ny ankilany. Naratra izay efa takatra am-polony tany ho any. Nisy ihany koa ny fisamborana. Araka ny tatitra nataon’ny teo anivon’ny prefektioran’ny pôlisy dia nahatratra hatrany amin’ny 11 izy ireo tamin’ny andron’ny sabotsy io. Asa raha ho ataon’ireo mpitandro filaminana tahak’io « gros bras » mpanakorontana navosotra mora foana tetsy Mahamasina ve sa halefa hanampy isa indray ireo namany etsy Antanimora ?

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici