Ao anatin’ny “famerenena ny filaminam-bahoana” na “rétablissement de l’ordre publique” (ROP) ireo mpitandro filaminana amin’izao, araka ny fanapahan-kevitry ny OMC, indrindra fa ny eto an-drenivohitra taorian’ireo endrika fandrobana isan-karazany niseho teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Araka izany, azon’ireo mpitandro filaminana atao ny mampiasa hery ambonimbony kokoa, izay heverina angamba, ho antony nampiasan’izy ireo bala teny izy, nahafaty olona maromaro nanomboka ny alin’ny alakamisy teo. Ny tetsy Andranoro, olona roa no maty ary maromaro ireo naratra, ary omaly, olona iray tetsy Tanjombato.
Raha ny momba ireo maty teny Andranoro dia voalaza fa isan’ireo mpanakorontana sy nikasa handroba teny an-toerana izy ireo. Mifanohitra amin’izay anefa ny voalazan’ny fianakaviana izay nanambara fa olona handeha hody hamonjy ny fianakaviany ny iray ary olona handeha hanidy tsena ny iray.
Ho an’ny tetsy Tanjombato dia saika mbola nitohy teny an-toerana ny sakana sy ny fandrobana omaly maraina. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana izay nampihatra ny ROP ary tonga hatramin’ny fampiasana basy. Tao anatin’izay dia lehilahy iray no namoy ny ainy.
Marihana fa taorian’ny fanambarana nataon’ny teo anivon’ny OMC nasionaly nanamafy ny “couvre feu” sy ny famerenena ny filaminana dia nisy avy hatrany ny hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana hanakanana ireo fandrobana isan-karazany. Toy ny tetsy Itaosy, mbola omaly ihany : maromaro tamin’ireo mpandroba no voasambotra.
m.L




