- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakoroka tetsy Analakely : Raikitra ny an-kitoraka voatabia

Sakoroka tetsy Analakely : Raikitra ny an-kitoraka voatabia

Ny sorabaventy nanehoan’ireo mpivarotra ny tsy fahafaliany manoloana ity hetsika ity.

Tany ho any amin’ny sivy ora sy sasany tany ho any, raha mbola tsy nirefotra akory ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany, dia efa nisy sahady ny fifampihantsiana teo amin’ireo mpivarotra te hanao ny asany tetsy amin’ny « esplanade » sy ireo olona sasantsany miandriandry ny fahatongavan’ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsy vitan’ny fifampihantsiana amin’ny alalan’ny vava fotsiny ihany anefa fa niafara tamin’ny fifampitorahana … voatabia ny resaka ! Tsy vita anefa, niafara tamin’ny fikasihan-tanana ny raharaha rehefa samy nentin’ny fony ny tsirairay ary nifampitaritarika tany anaty tranohevan’ireo mpivarotra teny an-toerana. Voasaraka samy tsy nisy naratra ihany moa ireo olona tena nifandray tao anatin’izany. Ary samy nihazo ny lalan-kombany ny roa tonta, niandry izay mety ho fizotry ny raharaha. Izany rehetra izany teo ambany mason’ireo mpitandro filaminana, miatrana sy mitandahatra manakana iny lalana hiditra ho any amin’ny Kianjan’ny 13 may iny. « Spekta ». Marihana fa nivarotra toy ny andavanandro ihany ireo mpivarotra teo amin’ny Esplanade Analakely omaly. Nisy mihitsy tamin’ireo mpivarotra friperie aza no mbola niantsoantso mpanjifa hoe hoe mamaky « bal ». Izy ireto izay efa naneho ny tsy fankasitrahany ity hetsika omaly ity noho ny korontana aterak’izany ho amin’ny fitadiavan’izy ireo. Nisy maromaro tamin’ireto mpivarotra ireto aza moa no niangonangona sy nitondra « banderole » ihany koa. Ary ny somary mahatsikaiky dia isaky ny mirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso any ananona any dia izy ireo no mihorakoram-pifaliana. Miova tsy toy ireny mpanohana « spekta » mahafatra-po amin’ny taranja ara-panantanjahan-tena ireny ka mahafaty baolina ny ekipa tohanany.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici