Manakaiky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ka tsy tambo isaina ny hamaroan’ ny mpivarotra amoron-dalana eto amin’ny fari-piadidin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Raikitra indray ny fifandonana teo amin’ny polisy monisipaly sy ny mpivarotra amoron-dalana teny amin’ny manodidina an’i Behoririka omaly antoandro tamin’ny 10 ora tany ho any. Tamin’ny fahatongavan’ireto polisy dia efa vory teny an-toerana ny olona, toy ny mahazatra. Nisy aloha ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, kanefa tsy nampiravona ny disadisa fa vao mainka nitarika tany amin’ny fifamaliana aza. Nampiaka-peo ireo mpivarotra fa efa vita ny frankofonia ka tokony havela hivarotra amin’izay izy ireo. Ny andro rahateo efa mamofompofona fety, hany fotoana hananan’izy ireo hampitomboana ny entam-barotra. Nitokona tsy nety niala araka izany iretsy farany ka niteraka ny fahatezeran’ireo be sandry, ka nampiasainy ny hery tamin’ny alalan’ireo fitaovana teny am-pelatanany. Nisy ny fivelesana kibay sy fandakana nataon’ny polisy tamin’ireo mpivarotra ka nitarika tany amin’ny fifampitorahana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nisy mihitsy ny gros bras avy amin’ny mpivarotra tsy sahin’ireo polisy monisipaly novelesina fa ny polisy nasionaly, izay niditra an-tsehatra ihany koa nanampy hery, no nanohitra azy. Niezaka nanohitra ihany ny andaniny saingy atody miady amam-bato ka tsy naharesy tosika ny ankilany. Nanembantsembana ny fifamoivoizan’ny fiara ity tranga ity ka nisy ny fitohanana nandritra ny fifandonana. Manohintohina ny filaminanam-bahoaka ihany koa ny tranga toy izao, satria dia mihamaro ny mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery izay manome endrika ratsy ny tanàna. Voatery nanidy ny tsena ihany koa ireo tranombarotra lehibe teny amin’ny manodidina mba hisoroana ny mety ho fitaran’ny raharaha any amin’ny fandrobana. Toy ny sary efa fahita, fotoana fohy taorinan’ny savorovoro dia nilamina ary nangina tanteraka ny faritra Behoririka sy ny manodidina ary niverina tsikelikely namonjy ny toeram-pivarotany ireo mpivarotra. Manoloana ireo vahaolana sy fepetra efa naroson’ny fiadidiana ny tanàna dia tsy mety fongana mihitsy izany eto amintsika. Ahina araka izany ny filaminana mandritra ireo fety roa lehibe efa mananontanona ho avy.
Kanto R. (Stagiaire)