- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSakoroka tetsy Mahamasina

Sakoroka tetsy Mahamasina

Kodiaran-tsarety nipoaka nampisoamaritaka ireo mpanao fihetsiketsehana

Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany latsaka tany ho any dia efa nanomboka ho betsaka olona nitangorona tetsy Mamahasina, ambohimpihaonan’ireo mpanaraka ny hetsik’ireo vondron’ny kandidà 11. Tamin’io fotoana io ihany koa no efa nanomboka tonga ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Emmo/Reg, niezaka nanaparitaka ireo olona tonga nitangorona. Mazava ho azy, tsy niala mihitsy moa ireto mpanao fihetsiketsehana ary vonona ny hiandry ireo mpitarika azy ireo, izay mbola nivory tetsy amin’ny Antenimierampirenena. Somary niala kely namonjy ny vavahadin’ny kianja Barea ireo vondron’ny mpitandro filaminana, raha nanomboka niha-nitangorona indray ireo olona. Tao anatin’izay fotoana izay anefa no nisy zavatra nirefotra mafy dia mafy, niteraka fisoamaritahana teo amin’ireo vahoaka marobe. Eny fa na ireo mpitandro filaminana ihany koa aza, somary hendratra ihany. Tsy inona anefa io zavatra nipoaka io, fa kodiarana sarety iray, sendra nandalo teny an-toerana, nipoaka vokatry ny vesatra nentiny sy ny hain’andro. Tamin’io fotoana io, mbola nifampiandriandry sy nilamindamina teny an-toerana.

« Gros bras » nosamborina, hita nitsoaka tetsy Fiadanana

Nandritra iny hetsika omaly tetsy Mahamasina iny ihany koa dia tazana tsy lavitra teny foana ihany koa andian-jatovo maromaro. Manohitra mafy ity hetsika fotsy ity izy ireo, izay milaza fa mpivarotra eo Mahamasina, ary tsy mila korontana. Somary mahatalanjona ihany fa miandany amin’ireo mpitandro filaminana izy ireo, ary manampy sy mitrerona ireo vahoaka tonga teny mihitsy mba tsy hitangorona. Tao anatin’ny iray tamin’ireny no nisy namaly azy ireo ka raikitra avy hatrany ny fifamaliana, ny taim-bava sy ny fifampihantsiana. Tonga hatramin’ny fandrahonana nataon’ireto andian’olona ireto mihitsy ary nisy ny fifankasihan-tanana nony avy eo. Velona ny rombo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana, nanenjika azy ireo, niaraka tamin’ireo vahoaka. Rafitra nitsoaka nihazo an’Anosibe iny ireto farany. Saingy nisy iray tamin’ireto « gros bras » ireto no voasambotra ary tsy afa-niala intsony tetsy amin’ny CFM. Nanala ny fony nidaroka tao anatin’izany ihany koa ireo olona nahasambotra saingy niezaka nanakana ny mpitandro filaminana ary nitondra ity olona voasambotra ity. Taoriana kelin’io dia nisy iray naman’ity farany ihany koa no nentin’ireo Emmo/Reg. Niaraka nampiakarina tao anatin’ny kamiaon’ny zandary izy ireo. Saingy nafindra tamin’ny fiara 4×4 iray ary nentina nihazo an’i Fiadanana. Nihevitra ny rehetra fa ho tazomina atao famotorana toa ireto olona voasambotra tamin’ny sakoroka nitranga ny sabotsy teo, saingy hatairana ihany anefa ny an’ireo mpanara-baovao raha nahita azy roalahy nihakazakaza somary nandositra tamin’iny lalana Fiadanana mivoaka any Ankadimbahoaka iny. Efa tafasolo akanjo. Ny tompon’andraikitry ny zandary tao amin’ny tobin’ny fikarohana heloka bevava nilaza fa tsy nandray azy ireo ary tsy nahafantatra ny fisian’ireto farany akory. Ilay solombavahoaka nosamborina taorian’izy ireo no mbola voatazona ato, hoy hatrany izy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici