- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSalazamay : Misy ady tany goavana ao amin’ny tobin’ny zandary

Salazamay : Misy ady tany goavana ao amin’ny tobin’ny zandary

Niantso mpanao gazety ireo vahoaka tompontrano hoesorina etsy amin’ny tany tobin’ny zandary Salazamay, manoloana ny hopitaly manara-penitra Morafeno. Misy jeneraly zandary am-perinasa mantsy haka ny ampahan-taniny izay nambara fa tafiditra ao anatin’ny « borne »-ny araka ny voalaza. Tokantrano miisa 20 tafo eo no voakasika amin’izany araka ny angom-baovao, izay misy olona manodidina ny 200 eo ho eo. Nilaza moa ilay jeneraly fa ho fefeny ao anatin’ny taniny izay tsy handrava ny tranony, ka aza mifanome tsiny raha tsy hanana lalan-kivoahana intsony aoriana izany. Raha hiverenana ny raharaha dia ny mpitantana teo anivon’ny zandarimariam-pirenena taloha tany amin’ny 30 taona lasa no nizara an’ity toerana ity ho an’ny vadina zandary  izay  Te hivarobarotra ho fanampiana ny fidiram-bolan’ny zandary vadiny, sy mba hisorohana sy hanalefahana ny tsy hanaovan’ny zandary kolikoly. Raha tsorina dia vadina zandary sy ny zanany avokoa no nanorina trano sy nivarotra amin’ity toerana ity, ilay zandary haka ny tany koa zanaka zandary. Ny fanadiadiana teo anivon’ny fiadidian’ny kaominina sy ny asa vaventy kosa nanamarika, fa tafiditra ao anatin’ny faritra maitso ny toerana misy an’ireo mpivarotra ireo, ka tsy tokony hisy hanaisotra amin’izany. Atahorana ho lasa olana eo amin’ny samy zandary ny raharaha, satria vady  sy zanaka zandary avokoa ireo ambara fa hoesorina eo amin’ilay tany alain’ny  jeneraly zandary iray.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici