- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-Divers« Salon de massage » : Fivarotan-tena ana tsy ampy taona sy...

« Salon de massage » : Fivarotan-tena ana tsy ampy taona sy mbola virijina, voasambotra ny atidoha

Niainga tamin’ny fitoriana nataona vehivavy iray tompona trano fanorana tany amin’ny polisy ny raharaha. Tao anatin’izany fitoriana izany dia vehivavy enina no nolazainy fa nangalatra ny volany. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana ary tamin’izany no nahasaronana ny zavatra rehetra. Eny Ambohipo sy Analakely no misy an’ireo trano fanorana ireo. Tamin’ny valan-dresaka nataon’ny polisy avy ao amin’ny BC no nahafantarana , fa mampitady tovovavy mpanotra ny tompon’ilay trano. Rehefa tafiditra anefa ireo olona ireo, tsy araka ny zavatra nifanarahana no nisy fa nivaona any amin’ny tsy izy mihitsy. Nasaina nivaro-tena ireo vehivavy ireo, 19 taona ka hatramin’ny 26 taona. Fa ny tena angano, hoy hatrany ny vaovao, nisy fikasana hivarotra ankizy tsy ampy taona sady mbola virijina tao amin’io toerana io. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa, toa tsy tanteraka izany fa afaka nitsoaka ireto farany.

Tamin’ny fidinan’ny mpitandro filaminana tany amin’ireo trano roa voalaza ireo, zavatra maro no hita. Dia nandeha ny fitanisana ny zavatra maro niseho tany. Rehefa voaray hiasa ireo vehivavy, dia nasaina nihofana amin’ny fivarotan-tena. Asaina miboridana rehefa hanotra ka na silipo aza tsy azo nanovana. Rehefa izany, asaina manao karazana maro amin’ny firaisana ara-nofo sy araka izay tian’ilay mpampiasa ireo vehivay ireo. Ny mpanjifa, ireo mpanam-bola sy ireo vahiny. Rehefa vita izay atao, tsy ireo tovovay no mandray ny vola fa ilay tompon’ny « tsena ». Misy ny vola raisina ka raha 5 alina ariary ny vola nomen’ilay mpanjifa, zara raha mahazo 5 000 ilay niasa.

Araka ny efa voasoratra ery ambony, avy amin’izany no nahatonga ny nahasaronana ny zavatra nafenina tao amin’ireo trano fanorana ireo. Rehefa nitory tany amin’ny polisy ilay ramatoa tompon’ny trano, tsy nahazo rariny. Nandeha ny fisavana ireo ka zavatra marobe mifandraika amin’ny fivarotan-tena no hita. Ireny fanao amin’ny firaisana ara-nofo tsy mila namana ireny, « sextoys », akanjo tsy manafina na inona na inona fitondran’ny vehivavy janga, karazana menaka fanosotra sy kapaoty efa avy nampiasaina. Etsy andaniny, sary tapaka ana vehivavy maro dia maro miaraka amin’ny laharana finday an’izy ireo, sary lava miboridana izay hisafidianan’ny mpanjifa. Ankoatra izany, nisy ny horanan-tsary tsy mendrika.

Fantatra, omaly fa olona efatra no voarohirohy amin’ity resaka ity, ilay vehivavy tompon’ny tsena voalaza fa atidoha ary telo hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba aminy. Ny vaovao hatrany no nahafantara fa mbola misy olon-kafa karohana amin’ity zavatra ity.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser