- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversSambaina Antsirabe : Taxi-brousse nivadika, mpandeha 11 naratra mafy 

Sambaina Antsirabe : Taxi-brousse nivadika, mpandeha 11 naratra mafy 

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena faha7, tao Sambaina PK 131+900 ambohibary no nitranga ny loza ny marainan’ny Talata lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany.
Fantatra fa fiara avy amina koperativa Tsanta fiderana ity tra-doza ity, fiara mpitatitra manao zotra  Antsirabe- Antananarivo. Rah any nambaran’ny teo anivon’ny zandary dia vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Efa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririna isika, hiara mahita rahateo ny zavona amin’ny maraina izay tsy hifankahitana mihitsy. Ny mampily anefa mbola nandeha mafy hatrany, vokany nivoaka ny lalana ny fiara ka nivadika ambony ambany mihitsy. Saika naratra avokoa ireo mpandeha tamin’ity fiara ity. Mpandeha miisa 11 no naratra mafy ka ny 7 amin’izy ireo mbola tazomina ao amin’ny hopitaly ka ny 5 ao amin’ny hopitaly Ambhibary, ny roa kosa voatery nafindra eto Antsirabe noho ny ratra mafy nahazo azy.
Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy, tokony ho mailo sy hitandrina ireo mpamily fiara amin’izao vanim-potoanan’ny ririna izao noho ny zavona indrindra ireo, fa ireo mianga marana be toy ity fiara ity.
Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici