- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSambaina Manjakandriana : Nisy nandoro ny tanànan ‘ny Tiko

Sambaina Manjakandriana : Nisy nandoro ny tanànan ‘ny Tiko

Nirehitra ny tanànan’ny orinasa Tiko eny Sambaina Manjakandriana tamin’ny sabotsy lasa teo. Araka ny vaovao voaray, tokony ho tany amin’ny 2 ora tolakandro tany no niandoha ny afo, izay tsy fantatra aloha hatramin’izao no nihaviany. Tonga nanampy ny mponina namono ny afo ny miaramilan’ny « génie » sy ny zandary avy ao Manjakandriana. Nahery vaika anefa ny firehetana ka tsy maty ny afo raha tsy tonga tany an-toerana ny mpamonjy voina ayv aty an-drenivohitra. Ny loharanom-baovao hatrany no nahanfatarana fa ireo kirihitra manodidina no nirehitra voalohany. Maina ny andro ary makina sahala amin’ izany koa ny zavatra rehetra ka vetivety ihany dia nihanaka ny fahamaizana. Efa nanomboka nandray ny fitoeran’entana ny lelafo, hoy hatrany ny vaovao. Tsy voakasika kosa anefa ny trano lehibe iray. Somary anaty alan-kesika no misy ilay toerana. Iaraha-mahalala fa hazo anisan’ny mora raisin’ny afo ireny ary sarotra ny mandresy ny afo entiny.

Efa misy fanadihadiana misokatra moa amin’izao fotoana izao ny amin’ny antony marina nahatonga ity fahamaizana ity.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici