Ahiana tsy hilamina intsony ny tany ao amin’ny distrikan’i Sambava, Faritra Sava, noho ny firongatry ny vono olona sy ny asa fandrobana isan-karazany. Tato anatin’ny iray volana monja, nahatratra 29 ny olona maty noho ny fitsaram-bahoaka sy ny asan-jiolahy, hoy ny nambaran’ny depiote voafidy tany an-toerana, Mamangy Norbert, tao amin’ny onjampeo tsy miankina iray eto andrenivohitra. Manjaka ny halatra lavanila sy ny fanafihana mitam-piadiana. Vao tamin’ny alatsinainy hariva teo, hoy izy, no notafihana andianjiolahy mirongo basy ny toby fivarotan-tsolika Jovenna ao Sambava. Leo izany toe-javatra izany ny vahoaka ka lasa mirona mankany amin’ny fitsaram-bahoaka. Manampy trotraka ihany koa ny lazainy fa fanararaotana ataon’ny manam-pahefana any an-toerana. Ireto farany izay lazainy fa tsy mahatontosa ny andraikiny ka manilika izany any amin’ny vahoaka. Ohatra noraisiny amin’izany ny namorian’ny lehiben’ny distrika ireo mpandraharaha rehetra ao Sambava ka nanereny azy ireo hanao tsipaipaika mba hividianana fiara tsy mataho-dalana sy solika mba hampiasaina amin’ny fitandroana ny filaminana. Koa manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra aty amin’ny Fanjakana foibe ny tenany mba hijery akaiky ny zava-manjo ny vahoaka ao amin’ny faritra nahavoafidy azy.
T.M.