- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversSambava : Andramena 298 ihany no navoaka tao amin’ny toby miaramila Ambolomadinika

Sambava : Andramena 298 ihany no navoaka tao amin’ny toby miaramila Ambolomadinika

Araka ny tatitra nataon’ny “Huissier de Justice” eto Sambava dia nalaina ramatoa  iray tompon’ andramena avy any Antalaha tamin’ny 24 janoary 2014 mba hanatanteraka ny didim-pitsarana N°493 nivoaka tamin’ny 04/06/2012. Nodidian’ny mpitsara ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antalaha mantsy ny famoahana  ireo andramena  298 voalaza ao anatin’ny “grosse” ireo. Tao amin’ny tobin’ny miaramila BLIG ao Ambolomadinika no nanangonana ireo  andramena na bolabola tsy ara-dalàna rehetra voasambotry ny mpitandro filaminana tamin’ny 2011-2012 sy namoahana azy ireo. Ampahany kely fotsiny izany ity navoaka ity ,fa tsy ny rehetra akory. Satria tsy voalanja ny bolabola nangonina tao fa voaisa fotsiny dia nifidy izay halainy ity ramatoa ity, hoy ny vaovao voaray tamin’ny loharanom-baovao iray azo antoka aty an-toerana.

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser