Matetika isehoana trangana fanolanan-jaza tsy ampy taona any amin’ny Distrikan’i Sambava, ary dia olona efa somary lehibe nahazo taona daholo no tena mpanao azy any an-toerana, raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana. Ankizivavy 12 taona mpianatry ny Epp iray ao Sambava no nitaraina mafy tsy salama ka nentina namonjy dokotera. Rehefa nojeren’ny mpitsabo ity zaza, dia hita fa simba tanteraka ny fivaviany izay namoaka tsiranoka maimbo, herinandro taorian’ny nanolanana azy. Rehefa nofotoran’ny mpitsabo mafy izy, dia nivaky sy nitantara ny zava-nihatra taminy, ary nanondro ny olona nanolana azy, izay tsy iza akory fa ny raibeny miara-mipetraka aminy ihany. Nametraka fitoriana teny amin’ny Polisy ny renin’ ity zaza niharan’ny herisetra ara-nofo, afak’omaly. Araka ny voalazan’ny tati-baovao voaray, dia rahalahin’ny talen-tsekoly ianaran’ilay zaza ihany ity raibeny nanolana azy. Raha ny fanazavan’ilay zaza kosa, dia namofona toaka ity raibeny tamin’ny fotoana nanatanterahany ny filan-dratsiny. Noho ny tahotra, tsy sahy nivaky ny zava-nanjo azy ity “tsaiky hely” raha tsy efa narary mafy tsy afa-namindra intsony. Raha ny fantatra dia mpitsabo roa samy hafa no nitondrana an’ity zaza niharan’ny fanolanana ity, ary nitovy avokoa ny valin’ny fizahana.
Eric Manitrisa