- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Ankizivavy 15 taona very, natakalo 2 tapitrisa ariary

Sambava : Ankizivavy 15 taona very, natakalo 2 tapitrisa ariary

Trangam-piarahamonina nahavalalanina ny maro no niseho tao Farahalana, any amin’ny distrikan’i Sambava, faritra Sava, afak’omaly. Ankizivavy iray sahabo ho 15 taona eo no very tsy hita popoka nandritra ny andro maromaro. Ny alakamisy teo anefa, nipoitra tampoka niaraka tamin’ny lehilahy iray nilaza fa hangata-bady azy rakalakely. Tsy nanaiky izany ny ray aman-drenin-drazazavavy, ka nitory tany amin’ny mpitandro filaminana. Rehefa nofotoran’ny Zandary ity lehilahy mpanafina sy mpanodinkodina zaza tsy ampy taona ity, dia nangataka raharaham-pianakaviana ka nandoa vola roa tapitrisa ariary tamin’ny rain-drazazavavy. Rehefa nahazo ilay vola ity raim-pianakaviana dia nilaza nahitsy teo anatrehan’ny fianakavian-dralehilahy hoe : « tsy omeko anareo ny zanako ka handeha hanara-bady sahady. Natao izao fifanarahana izao mba tsy hanodinkodinanareo intsony ny sain-janako, fa aoka izay ny vita, rano raraka an-tany iny. » Araka ny fanamarinam-baovao azo, dia samy olombe eo amin’ny fiarahamonina ny ray aman-drenin-drazazavavy sy ny an’ilay lehilahy hangata-bady azy. Ny iray Lehiben’ny Fokontany ary lefitra ny Lehiben’ny Fokontany kosa ny faharoa. Misy raha la terre ary mahery ny vola !

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici