- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Ankizy nivoaka velona avy tao am-pasana

Sambava : Ankizy nivoaka velona avy tao am-pasana

Trangam-piarahamonina tsy dia fahita firy niseho tany Soatanana Antsirabe Nord Distrikan’ i Sambava, ny hariva mena masoandron’ny alakamisy teo. Tovolahikely iray sahabo ho 10 taona eo, tsy tompon’ny tenany intsony (nivotirika voamaso sady hendratrendratra be) no hitan’ny olona nivoaka avy tao Ampasankova (fasana fandevenana vahiny maty any Antsirabe Nord), ka nanaitra ny maro ny tranga, ary vetivety dia niely haingana ny vaovao. Rehefa nofotorana lalina ity ankizilahy hita, dia nilaza fa Jamino no anarany, ary Lette no anaran-dreniny. Ankoatr’izany, dia tsy misy zavatra fantany intsony na ny toerana niaviany, ny tokony halehany ary ny fomba nahatongavany tamin’io fasana io. Taorian’ny fomban-tany antsoina hoe : “Boroboroko” tsy maintsy natao tamin’ity zazalahy hita velona nipoitra avy tao anaty fasana ity, dia naterin’ny fokonolona izay notarihin’ny Sefo Fokontanin’ i Soatanana Antsirabe Nord tany amin’ny mpitandro filaminana ity tovolahikely ity, mba hahafantarana ny tena marina momba azy sy hitadiavana ny fianakaviany. Hany nahafantarana an’ity zaza ity, raha ny tati-baovao azo, dia ny soratra hita teo amin’ny akanjony. Mifamahofaho be hatreto ny vaovao azo mahakasika ny nahatonga an’io tovolahikely io tao amin’io fasana io. Ao ireo milaza fa nangalarin’olona dia nariana tao, na nentin-javatra tao (devoly?!), na lolo vokatra (maty nifoha) araka ny feo miely miendrika tsaho heno nanomboka ny alin’ny 17 aogositra teo, avy any an-toerana. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ihany no hahafantarana ny tena marina an’ity mistery mampiroaroa saina ny maro ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici