- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Bazary paska 2014: samy afapo ny rehetra

Sambava : Bazary paska 2014: samy afapo ny rehetra

Ny bazar Paska teo natao teo ankilan’ny Tranompokonolona eto Sambava.
Ny bazar Paska teo natao teo ankilan’ny Tranompokonolona eto Sambava.

“Efatra taona izao no efa nanofana ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy ary ny mpanjono tato amin’ny distrika ny CSA Fanilo. Natao tany amin’ny faritra efatra ato anatin’ny distrikan’I Sambava io fanofanana io, samy nahavitana izany ny tsirairay: tany amin’ny faritra manamorona ny reniranon’i Sambava, tany amin’ny faritra manamorona ny renirano Bemarivo ambony sy Bemarivo ambany ary ny faritra manamorona ny reniranon’i Lokoho. Samy notsidihina sy nanaovana ny fanofanana tena mahaliana ireo tantsaha .Tao anatin’izany indrindra no nanambarana azy ireo ny tolotra fiharian-karena araka ny asa hay sy talenta ananan’izy ireo. Ny fanaovana bazar aty an-drenivohitry ny distrika no nanentananay azy ireo. Tamin’izay koa ny nanomanan’ny CSA Fanilo ny fandaharam-potoana hanaovana bazary lehibe efatra isan-taona: dia ny Paska ; ny fetim-pirenena 26/06; ny Noely ary ny taom-baovao”, hoy ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny CSA Fanilo Sambava. “Tamin’ity taona ity, liana talohaloha hanatanteraka ny tsenan’akoho amam-borona nomanin’ny CSA ireo tantsaha avy any amin’ny faritry ny reniranon’i Bemarivo Ambany sy Ambony. Fitaizana sy fanatavezana akoho amam-borona no nandraisan’ireo tantsaha ireo andraikitra mavitrika taorian’ny fanofanana natao tany amin’izy ireo. Isan-taona ary dia tsy tapaka ny bazaar-n’ akoho amam-borona natavezina karakarain’ny CSA Fanilo miaraka amin’ireo tantsaha ireo. Vita soamantsara ihany koa ny tsena voalohany tamin’ny Paska 2014”, hoy ity tompon’andraikitra ity namarana ny teniny. “Nahafapo anay mpiara-miombon’antoka tokoa ary mbola samy vonona tokoa izahay hanohy tsy tapaka izao tsena izao”, hoy ny mpamokatra sy ny mpihinana sendra anay tamin’iny bazary Paska iny. “ Hitanay tsara izao fa ny tsy fisian’ny mpanelalana amin’ny varotra akoho amam-borona no antony nahazoanay fahafahampo, hoy kosa ny mpihinana izay nanambara fa “tsy nisy fiakaram-bidy be ny akoho amam-borona namidy teto amin’ny bazary Paska nokarakarain’ny CSA Fanilo Sambava”. “Tsy maty ny masonkarenanay ary mbola nahazoanay tombombarotra mivaingana koa ny vidin’ireo akoho amam-borona natavezinay”, hoy kosa ny navalin’ny mpamokatra akoho amam-borona.“ Mahavelombolo anay rehetra ny firoboroboan’ny asa sy tolotra nomenay an’ireo tantsaha ireo ka ny fitohizana sy fanalehibeazana maharitra ny asa no tanjona iombonanay rehetra”, hoy ilay tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny CSA Fanilo SAMBAVA.Teo amin’ny tokotany malalaka, eo avaratry ny tranompokonolona Sambava, moa no nanatanterahana ny tsena.

REMI, Rakotonirina

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser