- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversSambava : « Bois de rose 4 camion » tratran’ny zandary

Sambava : « Bois de rose 4 camion » tratran’ny zandary

boisMitohy tsy mijanona ny fangalarana « bois de rose » eto amintsika. Eo ihany koa ny fanondranana antsokosoko ity hazo sarobidy ity. Fantatra izao fa tratran’y zandary tany Sambava indray ny andramena natao tao anaty fiarabe efatra andro vitsy lasa izay. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Anosiriana tokony ho 26 km avaratr’i Sambava no nahitana ireo fiara. Zandary nanao fisafoana no nahita izany zavatra izany. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa tsy teo ny mpamily tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana. Ireo mpanampy avokoa no teo. Teo am-panamboarana kodiarana izy ireo no sendra ireo zandary ireo. Tsy hita ary tsy fantatra ihany koa izay tena tompon’ireo hazo ireo sy ny tompon’ny fiara. Avy hatrany  dia nampandrenesina ny Praiminisitra. Nisy ny iraka nalefa tany an-toerana. Anisan’izany ny « commandant- n’ny vondrona iraisam-paritra sy ny « commandant de compangie » ao amin’ny zandary. Tsy nisy ny resaka fa avy hatrany dia notazonina ireo “bois de rose” sy ny fiara nitondra azy. Nampidirina “fourrière” ary ao no miandry ny dingana manaraka amin’ny fanadihadiana hatao.

Tsy vao izao no nahatratrarana andramena tany amin’iny faritra iny fa efa im-betsaka tokoa. Ho an’ny mpanara-baovao, mahakasika ity zavatra ity, tsy mbola nahita valiny mazava izy ireo ny amin’izay fepetra hentitra raisina hatramin’izao fotoana izao.

nangonin’i r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser