Lehilahy iray voatondro fa dahalo tra-tehakin’ny Fokonolona nangalatra lavanila 25kg sy volam-piangonana roa tapitrisa Ariary ary akoho amam-borona maromaro, tao Fokontany Soavinandriana any amin’ny Distrikan’i Sambava, ny alin’ny zoma 3 aogositra lasa teo, no hita faty tao anaty honahonana ala honko, afak’omaly naraina. Araka ny tati-baovao voaray, dia ankizy roa sahabo 13 taona eo avy, izay nandeha nihaza voronkely amoron-drano vao maraina no taitra raha nahita ny razana. Nihazakazaka nody haingana nampandre ny Ray aman-dreny sy nitantara ny zava-misy hitan’ny masony ireto zaza. Taorian’izay, dia nanaitra ny mpitandro filaminana ny ray aman-drenin’ireo zaza.
Votsotra teo ampelatanan’ny mpitandro filaminana. Tokony tamin’ny sivy ora maraina, ny alakamisy io, dia nidina teny ifotony nijery ny tranga ny Zandary niaraka tamin’ny dokotera nitsirika ny razana, ka voaporofo tamin’izany fa tena ilay dahalo avy tao amin’ny Fokontany Soavinandriana ity hita faty nihohoka ity, izay tsy nahitana « menottes » ny tanany. Hatreto, raha ny fanazavan’ny dokotera nanao fizahana ny razana, dia mbola nijanona ho tsiambaratelo amin’ny mpitsabo ny antony nahafaty an’ity jiolahy ity, ka miteraka resabe ao an-drenivohitry ny Faritra Sava ankehitriny. Raha ny fantatra, dia voalaza fa votsotra teo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ity jiolahy ity, ny narain’ny alahady teo, tokony tamin’ny fito ora, ka saika niteraka savorovoro tao an-tampon-tanànan’i Sambava, izay nilanjan’olona sora-baventy mihitsy.
Eric Manitrisa