Taorian’ny nanafihana roa lahy nitam-piadiana toeram-pivarotana iray tao Antsahabe, any amin’ny Distrikan’i Sambava, ny alakamisy teo ; izay nahaverezana vola telo tapitrisa ariary, ary naratra mafy voafira antsy nandritra ny fandrobana ny tompon’ny tsena, dia raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny Fokonolona, ka tratra tao Belafary Kaominina ambanivohitra Bevontro ireo olon-dratsy. Tsy nanaiky mora tamin’ny fisamborana azy ireo dahalo fa nanohitra. Raikitra ny fifanjevoana, ka Fokonolona roa tamin’ireo mpanara-dia no naratra mafy. Teo anatrehan’izany, romotry ny hatezerana ny olona, ka nitora-bato ireo dahalo. Na dia efa naratra mafy ny dahalo iray, dia mbola nanohitra hatrany, ka notifirin’ny Fokonolona avy hatrany, ary namoy ny ainy teo no eo. Noborian’ny olona kosa ny sofin’ilay namany azo sambo-belona, ka natao firavaka naseho vahoaka. Raha ny vaovao voaray, mbola tratra sy hita teny amin’ireto dahalo ireto ny vola rehetra avy norobain’izy ireo, ary efa naverina amin’ny tompony. Rehefa tsy nisy havany sahy naka ny fatin’ilay dahalo matin’ny fitsaram-bahoaka, dia nalevin’ny Fokonolona tao Antsahabe ihany, ny zoma teo.
Eric Manitrisa