Mirona mankany amin’ny fijerena CAN ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Eny na dia ireo tsy tia firy/tsy rototra amin’ny baolina kitra aza, dia manaraka ny lalao rehefa ny ekipam-pirenena Malagasy no mandray anjara. Raha ny vaovao voaray, noho ny haravoana diso tafahoatra tamin’ny fandresena azon’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra (Barea) nanoloana ny « Hirondelles »-n’i Burundi, dia raim-pianakiavana iray monina ao amin’ny Fokontany Ambodisatrana ao an-tampon-tanànan’i Sambava, izay voalaza fa faly be loatra no nanao krizy fientanam-po tampoka. Raha antany vao tonga tao an-tranony avy nijery baolina tamin’ny « écran géant » tao Sambava Centre ity lehilahy ity, dia nitolefika, ka nentina haingana namonjy hopitaly, nefa tsy tana intsony ny ainy tamin’ny 11 ora alina, na dia niala nenina mafy tamin’ny famonjena azy aza ireo mpitsabo. Namela kamboty telo mianadahy ratompokolahy.
Eric Manitrisa