Mivoatra ny raharaha fanafihana mitam-basy tamina tranona manamboninahitry ny Zandary iray, monina ao Ambalamasy Antanifotsy II, Sambava, izay nitranga ny alarobia naraina teo, tokony ho tamin’ny iray ora tany ho any, ka nahaverezana lelavola 12 tapitrisa ariary, lavanila 50 kg mitentim-bidy 60 tapitrisa ariary, niampy volamena sy entana maro sarobidy maro zakan’ireo mpandoba. Fantatra araka ny tati-baovao voaray fa olona iray tamin’ireo andian-jiolahy nirongo basy sady nisaron-tava nanafika sy niditra an-keriny ary nandrahona ho faty an’ity Lietnà ity sy ny vady aman-janak’ity no efa voasambotry ny zandary, ka anaovana famotorana lalina amin’izao.
Eric Manitrisa