- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversSambava - Fandevenana vavy antitra 90 taona : Raikitra ny ady saritaka...

Sambava – Fandevenana vavy antitra 90 taona : Raikitra ny ady saritaka teny am-pasana

Trangan-javatra nahavalalanina ny maro no niseho tao amin’ny fasana Anjia, any amin’ny Distrikan’i Sambava, afak’omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny telo ora latsaka dimy minitra teo, nandritra ny fandevenana vavy antitra iray manodidina ny 90 taona eo, izay maty tao Analapenja Fokontany Antanifotsy II. Nandritra ny fandevenana, raha araka ny tati-baovao voaray, dia raikitra ny fifamaliana teo amin’ny tanora roa be sandry, ka nivadika fifandonana sy totohondry izany. Taitra sy talanjona ireo nanotrona ny fandevenana sy Ray aman-drenibe an-tanàna raha vao nahita izany, ka samy niezaka haingana nanelanelana sy niditra an-tsehatra nandamina mba hampitsahatra ny ady izy roa lahy. Niharan’ny hatezeran’ireto « gros bras » ireto avokoa ny olona fito samy niezaka nanelanelana sy nanasaraka azy ireo, ka raikitra ny ady saritaka. Noho ny fomba mamohehitra mamoafady tsy nisy fanajana ny hasin’ny maty (Razana mody Zanahary), dia nosaziana maty omby araka ny dinam-piarahamonina misy ireo niady am-pasana teo am-pandevenana, mba ho anatra ho an’ny hafa.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici