Fatin-jazakely iray tsy nisy tapany ambany intsony, ary tsy nisy tànana havia nanomboka teo amin’ ny foto-tsandriny no hitana mpivarotra hani-masaka vao naraimbe, teo ampovoan’ arabe, tao amin’ny Fokontany Antanifotsy II, amin’ny sampanan-dalana hihazo ny hopitaliben’i Sambava iny, afak’omaly. Raha vao nahita ny razana ity mpivarotra, dia taitra mafy ary niantso avy hatrany ny tompon’andraikitra teo amin’ny Fokontany. Taorian’izay, tonga nijery ifotony ny zava-misy ny Polisy sy ny avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Mponina. Rehefa vita ny fizahana tsy maintsy natao tamin’ny razana, dia nalevina avy hatrany tao amin’ny fasana Ajia ity zazakely hita faty. Araka ny tati-baovao voaray, ny alina no nariana teo ambony lalana « goudron » ny vatana mangatsiakan’ity zaza ity, ary nahiana ho nohanin’ny alika. Mahakasika an’ity tranga nahonena sy nahavalalanina ny maro ity, dia efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha.
Eric Manitrisa