- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Fiara nidona tamin’ny andrin-jiro, tovovavy mpianatra iray maty tsy tra-drano

Sambava : Fiara nidona tamin’ny andrin-jiro, tovovavy mpianatra iray maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tao Sambava tampon-tanàna renivohitry ny Faritra Sava, afak’omaly alina tokony tamin’ny folo ora tao Antaimby. Fiara “camionnette marque Hyundai” miloko fotsy nandeha mafy no nifatratra tamin’ny andrin-jiro vato, ka tovovavy mpianatra iray 20 taona avy any Maromby, izay nipetraka tamin’ny sisiny havanan’ny fiara tra-doza no maty tsy tra-drano, raha maratra mafy nihosin-drà tapa-tongotra sy vaky loha kosa ny olona roa tamin’ny “devant”. Ireto farany moa hatramin’izao, raha ny tati-baovao voaray farany, dia mbola tsy mahatsiaro tena miady amin’ny fahafatesana,  tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Sambava. Tanora telo mianadahy avy namonjy lanonana efa samy mamo hamonjy fodiana no tao anatin’ity fiara tra-doza ity, izay nahitana karazan-toaka tsy lany, raha ny fanazavana azo hatrany. Niakatra ny herin’ny toaka, ka nirimorimo be tamin’ny fiara nentiny ny tovolahy 21 taona. Tsy voatazony intsony ny familiana ny fiara, ka nifatratra tany amin’ny andrin-jiro teo amin’ny sisin-dalana, ary potika tanteraka sady nipoaka ny motera.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici