Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tany Sambava, ny alahadin’ny Pentekosta, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina, teo amin’ny toerana antsoina hoe : « Belle Souvenir ». Fiarabe iray no nitrongy « taxi Bajaj » avy ao aoriana, ka tovolahy iray 18 taona izay monina ao amin’ny Fokontany Soavinandriana, no maty tsy tra-drano. Olona roa hafa kosa naratra mafy, ka isan’izany ny mpamilin’ilay « bajaj ». Taorian’ny loza moa, raha ny vaovao voaray, dia nangataka raharaham-pihavanana ny fianakavian’ilay mpitondra kamiao nahafaty olona, ary nanaiky izy ireo ny handoha 16 tapitrisa ariary. Mba ho entina hikarakarana ny razana, dia natolotra afak’omaly ny lelavola 5 tapitrisa Ar, raha amin’ny volana septambra kosa ny ambiny. Tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola tazomina vonjy maika atao famotorana ao amin’ny biraon’ny Polisy ilay mpamily nahavanon-doza.
Eric Manitrisa